Mitohy ny fiainana! Tsy mahasakana ny andavanandron-dRamalagasy tsy handroso izay jiro sy rano tapaka. “Mandeha ny mandeha”, hoy ny fitenin-jatovo tsy mivaky loha tanteraka amin’izay miseho. Mijonjorombona avokoa sisa ny fomba fiainan’ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy misy tanjona fa rehefa voky ny kibo dia ampy izay. Rehefa midaboka ny loha, na aiza na aiza toerana hatoriana dia efa mety izay. Tsy mahagaga raha maro no matory an-dalana, ankehitriny.
Tsy sanatrian’ny vava akory hoe voaozona ny mponin’i Madagasikara, fa iharan’ny todin’ny ataony ihany. Tsy mivaky loha manimba ny tontolo iainana. Tsy miasa saina amin’izay fanadiovana sy fahadiovan’ny tanàna. Tsy mametra-panontaniana amin’ny voka-dratsin’ny fanimbazimbana ny soatoavina malagasy. Faly manao grefy ny fomba amam-panao tsy tokony hiaraka ny ankamaroan’ ny olona. Ny zavatra mifamotototra no atambatra ka mahatonga ny fivarinana an-kady faobe.
Sanatrian’ny vava, mifendrofendro sy mamendrofendro isan’andro amin’ny famakafakana fa mahatsapa ho manana adidy. Efa hiditra amin’ny fotoan’ny orana isika izao. Efa anatin’ny maitsoahitra. Mainka mahazo vahana ny fahoriana isan-tokantrano. Koa inona no manakana raha misy ihany ny azo sorohana na bitika aza. Mila mamerina ny maha izy azy ilay Malagasy. Tokony hamoha ny fahatongavan-tsainy na dia ny fitiavana “madio” fotsiny ihany aza.
Tsy misy fitahiana anaty loto. Tsy miaraka ny fahasoavana sy ny fahalovana. Miainga avy amin’ny isam-batan’ olona ny fahombiazana. Tsy tokony hiantehitra amin-kery hafa ka mora sodokan’ny fanambakana. Ajoboky ny olona amin’ny fivavahana sadasada mifangaro fomba amam-panao vandavandana, hany ka mijabaka any anaty kajikajy mampikatso. Mila mifoha sy midio ny Malagasy.
r.r