Efa mahazo vahana eto Madagasikara ny sehatry ny fampiadiana akoholahy. Ahitana izany avokoa ny eny anivon’ny fokontany sy distrika ary kaominina maro samihafa. Anisan’ny fialamboly sy fitadiavam-bola ho an’ny ankamaroan’ny olona izany.
Saika ahitana hetsika fampiadiana akoho foana eto Antananarivo isaky ny herinandro. Marobe ireo olona manatrika izany, lehilahy avokoa ny ankamaroan’izy ireny, izay samy manana ny karazan’akoho entiny miady mandritra izany. «Kolontsaina sy fitadiavam-bola ary fialamboly ho an’ny olona maro ny fampiadiana akoho eto Madagasikara”, hoy Ramanana, tomponandraikitra iray eo anivon’ny Fede-
rasion’ny adin’akoho, raha nanaovana fanadihadiana. Mandray anjara sy hita miaina ao anatin’izany avokoa ny sokajin’olona isan-karazany, na manan-karena na mahantra, raha ny fanazavana hatrany. Efa nisy hatramin’ny andron’ny faha mpanjaka ny fampiadiana akoho teto amin’ny firenena. Mbola manana lanjany ary efa mahazo vahana betsaka eto amin’ny Nosy izany raha ny zava-misy. Ara-tantara, nataon’ny mpanjaka fialamboly ny fampiadiana akoho tamin’izany. Rehefa reraka avy an’ady izy na nisy tsy nety ny natao dia miantso ny mpampilalao izy ary lasa mampiady akoho izay nataony ho fialamboly. Toerana sy faritra maro no ahitana ny toerana fampiadiana akoho eto an-toerana. Anisan’izany, ny etsy Anosisoa, Ambohimangakely, Tanjombato, Ambatoroka…. Ahitana adin’akoho kosa ny etsy amin’ny kianjan’ny Kanto Mahamasina, isan-kerinandro.
Ankoatra izay, tsy vitan’ny fialamboly sy kolontsaina fa fitadiavam-bolan’ny maro mihitsy io sehatra iray io. Taloha, efa nisy ny fanamby napetraka ho an’ny olona tompon’akoho izay nivoaka ho mpandresy tamin’ny lalao. Manomboka eo amin’ny 50 000 Ariary ny fampiadiam-bola ataon’ireo tompon’akoho amin’ny lalao. Mety ho tafakatra hatramin’ny 40 000 000 Ariary izany, amin’ny lalao goavana toy ny fiadiana ho tompondaka eto amin’ny Nosy. Sehatra iray ampisehoana ny tanjaky ny akoho sy ahafahany mandresy ny mpifanandrina aminy izy io amin’ny ankapobeny. Maharitra adiny roa eo ny adin’akoho eny ambony kianja. Maro ny fambara hilazana fa resy ny akoho mpiady iray. Toy ny hoe mitsoaka, voatsindron’ny fantsy ny maso, tsy afa-mihetsika intsony sy ny maro hafa. Foana tanteraka kosa ny ady natao raha toa ka tsy misy resy ireo akoho ao anatin’ny ora roa niadivana.
Maro karazana ny akoho mpiady
Maro karazana ny akoho mpiady raha ny ampiasain’ny Malagasy maro eto Madagasikara. Anisan’ny nanjaka taloha sy karazan’akoho mampiavaka an’i Madagasikara ny akoho sinoa. Ahafahantarana azy ny tsy fisian’ny volo eo amin’ny tendany. Akoho mpiady anisan’ny tena tadiavina any amin’ny firenena eoropeanina sy Azia izy io. Akoho avo sy lava ary matanjaka io akoho sinoa io. Mazava tsara ny masony ary matanjaka ny fijeriny. Vitsy ny volo miraikitra amin’ny vatany. Mavomavo ny lokon’ny tongony ary mivelatra be sady lava ny rantsan-tongony. Rehefa tsara karakara io akoho iray io, matanjaka tsara ary afaka miatrika ny ady atrehany tsara izy. Nampiasain’ny Malagasy maro fahiny ihany koa ny karazany antsoina hoe: «akoho gasy». Ankoatra izay, nitarika saina hanafatra karazana akoho avy any ivelan’i Madagasikara ny Malagasy rehefa tonga tsikelikely teto an-toerana ireo vahiny. Nanafatra karazan’akoho mpiady avy any amin’ny Nosy La Réunion sy Thaïlande izy ireo. Niteraka karazan’akoho maro samihafa teto amin’ny Nosy izany. Toy ny “mavolamba”, “menalamba”, “kinto”, “bengaly” na “kalamainty”, “kalantitra”, «volontongotra » sy ny maro hafa.
Homanina tsara ny akoho alohan’ny ady
Mila hofanina tsara ny akoho mpiady mialoha ny fotoana iatrehany ny ady. Atao mialoha ao anatin’ny telo na efa-bolana alohan’ny ady atrehiny izany. Maro amin’ireo mpiompy sy mpampiady akoho ny mampianatra ny akoho hisaoty sy hanakatra sakafo avo. Fanatanjahan-tena iray manamafy ny elany sy ny fehin’ilay akoho izany. Ankoatra izay, manampy betsaka ny akoho mpiady ny fandehandehanany fa tsy mihidy anaty toerana iray. Anisan’ny manamafy ny taolany indray izany. Etsy ankilany, tsy azo atao ambanin-javatra ny fanomezana sakafo ara-pahasalamana ny akoho. Ilaina ihany koa ny fanomezana fanafody sy fiarovana azy amin’ny aretina maro samihafa. Toy ny fanalana kankana sy fanaovam-baksiny miady amin’ny barika, pesta, nendra sy ny maro hafa ny akoho. Raha akoho vantony, manomboka arahi-maso tanteraka sy raisina an-tanana izy eo amin’ny faha-7 volany mba ho lasa akoho mpiady tsara any aoriana. Hahafantarana izany, rehefa manomboka maneno voalohany izy. Azo atao ny mampiady azy tsikelikely mandritra izany. Marihina fa 900 000 hatramin’ny 4 000 000 Ariary ny vidin’ny akoholahy iray nivoaka mpandresy tamin’ny ady.
Nanatontosa : Mino