Asan-jiolahy: Karohina i Tintin, kambana amin’i MadMax

Ifampitadiavan’ny polisy i Tintin, kambana amin’i MadMax. Tsy ilay mpihira malaza akory fa ilay jiolahy maty voatifitra ny alin’ny 24 desambra 2022 teo. Jiolahy mpamerin-keloka izy mirahalahy kambana. Samy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, na tsy mbola ampy taona aza. Voatifitra ny alin’ny 24 desambra i MadMax. Taorian’izay, nampandosirina na nanjavona i Tintin rahalahiny. Manoloana izany, nanamafy ny eo ani­von’ny polisim-pirenena fa hanao ny asany araka ny napetraky ny fitondram-panjakana. Mampitandrina ny olon-dratsy tsy hanelingelina ny mpanao fety izy ireo. «Tsy hitsitsy izahay fa hitifitra avy hatrany ho an’izay manohitra. Raha tsy te ho faty aoka hibaboka raha vao mifanehitra amin’ny mpitandro filaminana”, hoy ny kaomisera Rafaliarivo Jules.
Etsy ankilan’izay, nibaboka ny heloka vitany i Fanoela Radson sy Berokamisy San­dra, samy jiolahy niaraka namaky trano tao Andronga, nanoro ny toerana misy an’i Eric sy Madmax.

Tratra teo am-pangalarana jiro…
Lehilahy iray hafa koa tratra nangalatra jiro mandeha amin’ny herinaratra zarain’ny fitondram-panjakana isam-pokontany tao amin’ny fokontany Ambohijafy avaratra parisela 14/31 ny alakamisy alina. Efa nahazo jiro roa mandeha amin’ny herin’ny masoandro ity jiolahy ity no tratran’ny polisin’ny FIP. Ho an’i Toamasina manokana, efa tsy latsaky ny zato mahery ireo jiro manazava ny lalam-bahoaka no lasibatry ny asan-jiolahy. Tsy maharitra iray volana any am-ponja anefa ireo jiolahy tompon’antoka amin’izany dia mivoaka manohy ny asa ratsiny indray.

Sajo/J.C

Partager sur: