Fitsinjovana fahasalamana : tsara ny manatona farmasia rehefa hividy fanafody

Maro sy mitobaka eny an-tsena sy an’elanelan-trano eny ireo sehatra fivarotana fanafody amin’ny endriny maro, tsy ara-dalàna. Mety hitarika voka-dratsy eo amin’ny fahasalaman’ny olona mihinana azy izany, raha ny fanazavana nataon’ny mpitsabo, Dr Rabetsaroana Vololona. Tsara ny manatona tobim-pahasalamana sy tomponandraikitra eny anivon’ny fivarotam-panafody ary farmasia alohan’ny hividianana fanafody, mba hisorohana ny loza mety hitranga sy ireo aretina hafa hipoitra indray. Mahatratra 300 eo ny isan’ny farmasia eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nambarany hatrany fa ilaina ny fahatokisana azy ireny manoloana io fahavitsian’ny mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny asa iray io.

Ubipharm Madagascar, manao trano vaovao
Hankalaza ny faha-10 taona nijoroany eto Madagasikara ny Ubipharm Madagascar. Hanangana trano vaovao izy ireo hanatsarana ny fitsinjarana ny fanafody sy hahafahan’ny olona rehetra misitraka fanafody amin’ny vidiny mora. Natomboka ny 9 novambra lasa teo ny fiadiana ny vato fototra amin’io fotodrafitrasa vaovao io. Manantena fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana sy ny orinasa tsy miankina izy ireo amin’ny sehatry ny fanafody sy ny farmasia eto amin’ny Nosy, mba hananan’ny Malagasy rehetra fitsaboana manara-penitra.

Mino

Partager sur: