Tranga mateti-piseho eto Madagasikara ny fahaterahan’ny zaza tsy tonga volana. Antony matetika mahatonga izany ny aretina eo amin’ilay reny mitondra vohoka.
Mahatratra 13,15 tapitrisa ny zaza teraka tsy tonga volana maneran-tany, raha ny antontanisa voaray avy amin’ny Support the premature. 11 800 izany tamin’ny 2019, raha ho an’i Madagasikara manokana. 38% ny zaza teraka kosa no teraka tsy tonga volana tamin’ny taona 2021. Maro ny antony mahatonga izany, raha ny fanazavana voaray tamin’ ny tomponandraikitra eo anivon’ny fikambanana Support the premature. Matetika sy mpiseho indrindra ny tsy fahasalaman’ny reny eo am-pitondrana vohoka, toy ny fiakaran’ ny tosidra noho ny fikorontanan-tsaina mandritra ny fitondrana vohoka. Eo koa ny aretina mahazo ny taovam-pananahana sy ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo. “Misy fiantraikany any amin’ ilay zaza ao an-kibo ireo aretina ireo ka mahatonga azy ho teraka tsy tonga volana”, hoy ny Dr Ranosiharisoa Zolinantenaina, pédiatre sady filoha mpanorina ny fikambanana Support the premature. Ankoatra izay, anisan’ny mahatonga izany koa ny ahitra tsy mipetraka tsara any amin’ny toerana tokony hisy azy ka mahatonga fahaverezan-dra ho an’ny reny. Mahatonga ny tsy maintsy hamoahana ny zaza amin’ny alalan’ny fandidiana. Matetika teraka tsy tonga volana ihany koa ireo zaza kambana.
Mahay kokoa ny zaza teraka tsy tonga volana
“Rehefa tsara karakaran’ ny mpitsabo sy ny ray aman-dreny ny zaza teraka tsy tonga volana dia haingana kokoa ny fivoarana ara-tsaina ho azy ireo”, hoy hatrany izy nanazava. Amin’ny alalan’ny “méthode mère kangourou” na fitaizana trotro an-koditra ny fomba hikarakarana sy hanatsarana ny fahasalaman’izy ireny. Atao eo an-tratran’ny reniny ny zazakely izay zara raha manao akanjo kely. Toy izany koa ny reny, zara raha misy akanjo fa misokatra tsara ny tratra ipetahan’ilay zaza teraka tsy tonga volana. Ilay hoditra samy hoditra mifampipetaka eo amin’ny reny sy ilay zaza no mampitombo haingana azy sy manatsara ny fahasalamany haingana, raha ny fanazavana hatrany.
Maro ny fitaovana hampiasaina ho an’ireo zaza ireo
Fitaovana fanafanana isan-karazany no ampiasana handraisana ireo zaza teraka tsy tonga volana, toy ny “couveuse” na ny “incubateur”. “Tsara indrindra ny méthode mère kangourou, ho an’ny tany andalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara”, hoy hatrany ny Dr Ranosiharisoa Zolinantenaina. Miankina amin’ny toerana sy ny hamaroan’ny zazakely teraka tsy tonga volana ny fahampiana na tsia ny fitaovana.
Mety ho sempotra raha vao teraka
Tranga maro ny mety hahazo ny zaza teraka tsy tonga volana eo am-piterahany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Mbola tsy matoy tsara izy ary mbola betsaka ireo taova any anatiny tsy tomombana tsara. Mety ho sempotra izy raha vao teraka, mety tsy hahatazona ny herin’ny hafanany, tsy hahay minono ary mety tsy mahalevon-kanina ny zaza teraka tsy tonga volana. Mety hisy ny fahatarana ara-tsaina ho an’ilay zaza any aoriana any. Toy ny hoe, mety hisy olana ny maso sy ny sofina, indrindra ho an’ireo teraka aloha loatra.
Tsy misy fiantraikany ho an’ny reny izay niteraka kosa izany. Miankina amin’ny aretina mahazo ilay reny manokana kosa ny mety hisian’izany, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Andro iraisam-pirenena ny 16 novambra
Tsiahivina fa nankalazaina nanomboka ny taona 2008 ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zaza teraka tsy tonga volana na « prématuré » tany ivelany. Nanomboka nankalaza io andro io eto Madagasikara tamin’ny taona 2023, avy amin’ny fikambanana “Support the premature”. Ankalazaina isaky ny 16 novambra ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zaza teraka tsy tonga volana, ary anisan’ny mankalaza izany i Madagasikara.