Fahavaratra, ilana fitandremana : mahabetsaka ny fihotsahan’ny tany sy tondradrano

Efa manomboka miditra ao anatin’ ny vanim-potoan’ ny fahavaratra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Vanim-potoana iray mahatonga fisehoan’ ny loza maro samihafa eto amin’ny Nosy izy io. Ani­san’izany ny fiho­tsahan’ny tany, ny fahamaroan’ny ta­nà­na dibo-dra­no vokatry ny firotsahan’ny orana.

Tsy maintsy misy ny traboina eto amin’ny Nosy, indrindra rehefa fotoan’ny rivodoza sy ny rotsakorana entiny. Ilaina ny fiomanana sy fitandreman’ny rehetra izany mba hisorohana ny tranga sy ny loza mety hiseho. “Miteraka fikorontanana maro eo amin’ny fiainan’ny olona ny vanim-potoan’ny fahavaratra satria mety ho maro ny hazo midaraboka, ny tany sy ny trano mihotsaka, ny tanàna dibo-drano ary ireo olona latsaka anaty rano sy ny maro hafa”, hoy ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny commandant Ralaivaonoro Eric Olivier, raha nanaovana fanadihadiana. Misy ny fiaraha-miasan’ireo sampana mpamonjy voina rehetra isan-tsokajiny eto amin’ny Nosy amin’ny fiatrehana sy fisorohana izany. Anisan’izany, ny vondrona vonjy voinan’ny Tafika Malagasy (Corps de protéction civile) eny Ivato. Eo koa ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena, ny sampana mpamonjy voina ary ny birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandidon-doza (BNGRC).
Anisan’ny faritra mena amin’ny mety isian’ny loza ny eny ambonin’Ampamarinana. «Toerana ahitana hazo maniry maro dia maro eny, mety hihotsaka ny tany, ny trano ary ny vato”, hoy hatrany izy. Voina mateti-pitranga ny fihotsahan’ny tany na ny vato, indrindra eny amin’ny faritra avo ho an’ny eto an-drenivohitra. Anisan’ny ahitana izany matetika ny eny amin’ny fokontanin’i Manjakamiadana, Ambanin’Ampamarinana, An­dafia­varatra, Ambohipotsy, no­ho izy io toerana avo sy miorina eny ambony havoana sy akaiky vato. Faritra voasokajy ao anatin’ny faritra mena izy ireo rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra tahaka izao. Tranga voalohany ny fihotsahan’ny rindrim-bato tamin’ny trano iray teny an-toerana, ny zoma alina lasa teo, izay nahafatesana olona telo mianaka.
Ankoatra izay, ho an’An­tana­narivo, dibo-drano foana ny toerana iva rehetra rehefa vanim-potoan’ny fahavaratra, toy ny eny amin’ny kaominina Ampanefy, ny toerana rehetra lalovana sy manamorona ny reniranon’Ikopa rehetra iny. Dibo-drano avokoa ny ankamaroan’ny tokantrano sy toerana maro eny amin’ny faritra iva, ny faran’ny herinandro lasa teo. Vokatry ny rotsakorana nifanesy. Mahatonga ny fiakaran’ny rano eto an-toerana ny fahatsentsenan’ny la­kan­drano sy ny fantsona mi­tondra ny rano, raha ny fanazavana voaray tamin’ny teknisiana iray. Anton’izany ny fanarian’ny olona ny fako eny rehetra eny, izay mahatonga ny lakandrano ho tsentsina. Eo koa ny fanotofana tany sy fanorenana tsy ara-dalàna.

Fepetra hisorohana ny loza ny hifindrana trano mialoha
Anisan’ny fepetra tsara indrindra ny hifindrana toerana honenana any an-kafa, hialana ny toerana honenana izay tandindonin-doza. Mba hisorohana ny loza mety hitranga vokatry ny fihotsahan’ny tany ho an’ny eny amin’ny avo toerana. Efa nisy ny fanentanana sy fampitandremana ataon’ny tomponandraikitra ny amin’ny tokony hialan’ny olona amin’ireny toerana ireny, raha ny fanazavana voaray hatrany. Ho an’ny eny amin’ny faritra iva indray, ilaina ny fanadiovana ny lakandrano sy ny toerana rehetra manodidina ny trano fonenana. Entanina ny olona tsy hanary fako eny amin’ny toerana tsy voatokana amin’izany.

Efa ao anatin’ny fiomanana ny mpamonjy voina

Efa vonona tanteraka amin’ny fiatrehana ny fahavaratra ny sampana mpamonjy voina. Efa niatrika fiofanana mahakasika izany izy ireo tao anatin’ny herinandro maromaro izay, raha ny fanazavana voaray. “Efa nanomana ireo fitaovana rehetra mifandraika amin’ny fiatrehana ny loza mety hitranga rehetra mandritra ny vanim-potoan’ny fahavaratra izahay tao anatin’ny herinandro vitsivitsy izay”, hoy hatrany ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina, ny commandant Ralaivaonoro Eric Olivier. Nanombohana izany ny tontolon’ny rano, izay nanaovana fanazaran-tena teny amin’ny reniranon’Ikopa, tetsy amin’ny fokontany Imasondray. Novelomina, nandritra izany, ny motera mitroka rano, ny sambo, nasaina nanao recyclage ny mpisitrika anaty rano (plongeur). “Vonona tanteraka izahay ny amin’ny mety ho fiakaran’ny rano sy ny fitadiavana olona anaty rano ary ny fampitana olona mety ho dibo-drano”, hoy hatrany izy.

Tsy ampy ny isan’ny mpamonjy voina
Natao ho an’ny olona 500 ny mpamonjy voina iray, raha ny lamina iraisam-pirenena. Manodidina ny 376 ny isan’ny mpamonjy voina eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. “Tsy ampy io isa io manoloana ny hamaroan’ny mponina eto amin’ny Nosy », hoy hatrany ny fanazavana nentin’ny lehiben’izy ireo. Na izany, efa misy ny politika ataon’ny mpitondra hampitomboana ny isa. Nanomboka ny taona 2020 hatramin’ny taona 2023, nandray mpamonjy voina manodidina ny 70 hatramin’ny 100 isan-taona teo ny fanjakana.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: