Ao anatin’ny ran’ny Malagasy rehetra hatramin’izay ny fanajana ny zokiolona, raha ny zava-misy niainan’ny Ntaolo fahiny. Efa manomboka mihalefy tsikelikely ny tsy fanajana intsony ny zokiolona.
Maro ireo zokiolona hiharan’ny tsy rariny eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Misy ny miseho eny anivon’ny fianakaviana, ny ataon’ny fiarahamonina sy ny maro samihafa. Anisan’ izany, ny fampahoriana sy fanararaotana,ny fanilikilihana ary ny herisetra mianjady amin’izy ireo. Anisan’ny hita tena manao izany ny tanora, raha ny fanazavana voaray. Efa somary lefy ny fanajan’ny tanora ny zokiolona, raha ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina, ankehitriny. “Antony mahatonga izany ny fivoaran’ny fanatontoloana sy ny zavatra hita avy any ivelan’i Madagasikara”, hoy Raharivelonarivo Marie Solange, filoha lefitry ny Fizoma. Nambarany fa somary mangala-tahaka ny fomba fiaina avy any ivelany ny ankamaroan’ny tanora ka mahatonga io tsy fanajana io intsony. Ankoatra izay, misy lesoka ataon’ny ray aman-dreny ihany koa eo amin’ny fitaizana ny zanany ao an-tokantrano ka antony iray mahavery ny fifanajana. Antony hafa mahatonga izany ny fahaverezan’ny soatoavina eo amin’ny maha Malagasy. Anisan’ny asa atao ny famerenana ny soatoavina sy ny fanajana ny fizokiana ary famerenana ny hasin’ny maha zokiolona azy. Nolazainy hatrany fa raha miverina amin’ny hasiny ny zokiolona, miverina ny fanajan’ny olona azy ary mihena ho azy ny fanilikilihana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina.
Anisan’ny fahalalam-pomba very ny fiarahabana feno fifanajana toy ny hoe: “manao ahoana tompoko”, ny fanaovana « azafady » rehefa mandika olona , ny fanomezana toerana ho an’ny zokiolona… “Miseho matetika eny amin’ny fiandrasana taxi-be na any anatin’ny fiara fitaterana ary eny anivon’ny birao samihafa izany. Nambarany hatrany fa mbola azo atao ny manitsy sy miteny ireo zandry zanaka eo anivon’ny tokantrano. Anjaran’ny ray aman-dreny niteraka ny manabe ny zanany hahay hanaja mba hoentiny miaina eny anivon’ny fiarahamonina.
Miainga avy amin’ny soatoavina ny fanajana
Tomponandraikitra amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena ary tsy manome tsiny an’iza na iza ny zokiolona. “Anjara andraikitr’izy ireo ny manarina sy mamerina indray ny soatoavina maha Malagasy misy eto amin’ny firenena”, hoy ny sekretera jeneralin’ny fikambanana, Rakotoson Harimbola. Eo koa ny fanentanana ny ray aman-dreny hanabe ny zanany. Ohatra amin’izany, ny tsy hitenenana ratsy intsony sy ny fanajanonana ny fisotroan-toaka. Nambarany fa rehefa tsy miteny ratsy intsony ny ray aman-dreny dia tsy miteny ratsy intsony ny zaza. Etsy ankilany, miantso ny tomponandraikitra ambony ihany koa izy ireo mba hanajanona ny fanaovana kolikoly mba tsy hanaovan’ny madinika.
Anisan’ny soatoavina ngezabe amin’ny Malagasy ny fanajana ray aman-dreny. Manana traikefa sy fahalalana betsaka mihoatra ny olon-drehetra ny zokiolona, izay niainga tamin’ny soatoavina. “Miainga avy amin’ireny soatoavina ireny ny fampandrosoana ny firenena izay arahin’ny rehetra ary amin’ny alalan’ny fampiroboroboana ny zokiolona sy ny maha olona izany”, hoy hatrany ny fanazavany.
Manatanteraka fivoriambe ny Fizoma
Hifarana anio ny fivoriamben’ny Firaisamben’ny zokiolona eto Madagasikara (Fizoma), etsy amin’ny Carlton Anosy. Hetsika fanao isaky ny telo taona. Ahitana fikambanana manodidina ny 169 manerana ny faritra 16 eto amin’ny Nosy izy ireo, hatramin’izao. Tonga manatrika ny fivoriana ireo fikambanana manerana ny faritra 13. Maha zava-dehibe ny fivoriana ny hahafahana mifanentana eo amin’ny samy zokiolona. Hevitra telo no dinihina sy jerena mandritra ny fivoriana. Anisan’izany ny fifidianana birao, ny fandaharan’asa miantefa any amin’ny zokiolona ary ny sata mifehy ny fikambanana. Anisan’ny atao mandritra izany koa ny jery todika nandritra ny taona lasa.
Vahaolana marolafy
“Rehefa mihatsara ny fari-piainan’ny vahoaka dia mihena hoazy ny herisetra sy ny fanilikilihana eny anivon’ny fiarahamonina”, hoy hatrany izy. «Aorian’ny olona manana fahasembanana, tokony hamoraina kokoa ny ahazoana rano», hoy Rabemanantsoa Rolland, talen’ny fanohanana ny fahasembanana sy ny zokiolona eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Misy ny volavolan’asa manokana hanampiana ireo zokiolona tsy mpiasam-panjakana sady tsy nanana asa mirindra teo aloha. Soso-kevitra entin’izy ireo ny fananganana tobin’ny fahalemana, mba ho toerana hasiana ireo zokiolona hanomezana ny tsy fahafahan’izy ireny miasa intsony.
Nanatontosa : Mino