Andian-jatovo nifanafika : voatery nanao tifi-danitra ny zandary

Nanao tifi-danitra ny zandary, nandravana ireo andian-jatovo nifanafika tanana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny ady izay naharatrana olona telo. Naiditra hopitaly ny lehilahy roa izay tena voa mafy.

Niafara tamin’ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra ny fifanafihana niteraka faharatrana nataona andian-jatovo tsy nifaranara-tsaina tao Ma­ha­bako, tanàna iray anatin’ny distrikan’i Manakara, omaly. Olona roa naratra mafy naiditra hopitaly noho ny fifampikasihan-tanana teo amin’ireo tovolahy ireo tao amoron-dranon’i Faraony. « Niatom­bo­ka tamin’ny ady teo amin’ny roalahy noho ny antony tsy fantatra io tranga io », hoy ny fanazavan’ny zandary. Nara­tra mafy anefa, noho ny daroka nataon’ilay avy ao Maha­bako, ny lehilahy iray avy ao Andemaka. Tsy nahazaka izany ny naman’ity farany ka namory tovolahy hanafika ny andaniny. Raikitra ny sakoroka. Tsy nisy nety nosarahan’ny manodidina ireo tanora niady fa nanampatra ny hatezerany avy.

Nirefotra ny basy

Tamin’ny fotoana nitrangan’ny ady, naharay antso ny zandary ka nidina nijery ny zava-nisy. Tsy nisy nilefitra na ny andaniny na ny ankilany tamin’ireo andian-jatovo. Ni­e­zaka nanasaraka ny zandary saingy saika niafara tamin’ny fikasihan-tanana nataon’ireo tovolahy azy ireo indray izany. Vokany, nanapoaka basy mba hiparitahan’ny roa tonta ny mpitandro filaminana. Samy nandositra, noho izany, ireo avy ao Mahabako sy Andemaka ireo. Tsy afa-niala kosa ireo naratra. Miisa telo izy ireo ka nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly ny roa izay voa mafy.

Tsiferana Randriatiana

Partager sur: