Akon’ny fety : roa namoy ny ainy, 47 voasambotry ny polisy

Olona roa no maty, nandritry ny fankalazana ny fetin’ny faran’ny taona teo, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny polisim-pirenena. Ny iray maty vokatry ny lozam-pifamovoizana, ary ny iray razana hita. Miisa 47 ireo olona voasambotra noho ny asa ratsy isan-karazany teto an-dReni­vohitra. Toy izao ny mikasika izany : olona iray tratra nangalatra sy namaky trano. Olona miisa 14 tratra nanendaka. Ha­la­tra tsotra niisa 10 ka olona efatra voasambotra nanao iza­ny. Olona roa hafa voasambotra nanao halatra madinika. Olona iray ihany koa voasambotra saika hangalatra. An­koatr’ireo, manoloana ny asa fanendahana mateti-pitranga, totakely efatra tra-tehaky ny eo anivon’ny polisim-pirena. Na­hitana ireo olona nampiahiahy koa nandritra ny fankalazana ny faran’ny taona sy ny taom-baovao ka nosavaina sy no­samborina. Miisa dimy izy ireo. Olona 16 mamo teny an-dalambe. Hain-trano iray, niseho tetsy Ankorondrano, ny alin’ny 31 desambra teo. Niisa 21 ireo trangana lozam-pifamoivoizana, araka ny tatitra teo anivon’ny HJRA. Nahara­tra­na olona telo sy nahafatesana olona iray izany. Niisa roa ny loza nahatonga fahasimban-javatra. Marihina fa nahatratra 2021 ireo polisy niasa tamin’ireo andro ireo.

Nihena ireo niditra hopitaly

Nahatratra 100 ireo olona tonga nizaha fahasalamana te­ny anivon’ny hopitaly HJRA, ny faran’ny taona teo. Niditra hopitaly ny 16 tamin’izy ireo. Tsy nisy olona maty nandritra izany raha toa ka nahitana telo tamin’ny taona lasa. Nihena ihany koa ny tahan’ny olona niditra hopitaly, raha toa ka 34 izany tamin’ny taona lasa. “Vokatry ny fisotroana toaka sy fifohana zava-mahadomelina ny ankamaron’ireo niditra hopitaly”, hoy i Dr Tahiry, mpitsabo eo anivon’ny sampana vonjy Aina. Miisa 17 ny loza niseho teo amin’ny “accident à la responsabilité”. Ni­isa roa ny loza niseho am-perin’asa. Mahatratra 15 ireo loza niseho teny anivon’ny tokantrano. Niisa telo ny loza niseho teny an-dalambe. Niisa 11 ny aretina hafa toy ny aretin-kibo sy ny tsy fahampian-dra.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: