Filoha Rajoelina Andry : “Hampitomboana avo telo heny ny karaman’ny sefo fokontany”

Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka malagasy ny filoha Rajoelina Andry, ny asabotsy teo. Nanaovany jery todika ny lasa sy ny hiatrehana ny ho avy. Nanafatrafatra ny mpanao politika sy ny momba ireo mpitantana eny ifotony izy. Nambarany fa, hitohy ny fametrahana ny tany tan- dalàna sy ny fanjakana manakaiky vahoaka amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa. Eo koa ny ny fitsinjaram-pahefana. Fanam­by ny tsy hisian’ny distrika ho hadino. “Hotohizana izany ka hampitomboina avo telo heny ny karaman’ireo sefo fokontany”, hoy izy. Momba ny resaka politika, nambarany fa aoka ny hevitra hahasoa ny vahoaka no haroso. “Tsy eke­na ny fanoherana ny tetikasa fampandrosoana na fisitonana ny firenena hihemotra. Tsy mila korontana ny vahoaka koa atsaharo ny adilahy manimba ny soatovina ary miteraka savorovo… Tsy azo ekena ny fanakorontana avy ato anatiny na avy any ivelany”, hoy izy.

Hiasa am-pahamendrehana sy am-pahitsiana

Nanteriny fa mila fitoniana isika raha te handroso. Niantso ny tompon’andraki-panjakana rehetra : olomboafidy na voatendry hanatanteraka ny asa nankinina aminy koa ny filoha. Hanao izany anatin’ny fahamendrehana sy ny fahitsiana.

Natsidiny sahady fa handray ny lalaon’ny Nosy isika amin’ity taona ity ka ampirisihana hiray hina ny rehetra. Tokana ny tanjona : ny fandresena anaty fiarovana ny hambompom-pirenena anaty fitiavan-tanindrazana.

Ilana faharetana

Niaiky ny tenany fa mbola betsaka ny asa hatao amin’ny fanarenana ny firenena na maro aza ny asa vitantsika. “Ilana ezaka sy asa mafy ary fiaraha-misalahy sy fientanan’ny rehetra izany ary ny fandraisana andraikitra koa”, hoy izy.

Nohamafisiny fa misy ireo tetikasa atao sy fanapahan-kevitra mety tsy ho azo amin’ny fotoana voalaza. Nanome toky anefa ny filoha fa hitondra vokatsoa ireo fampandrosoana sy asa rehetra ataontsika. Niaiky ny tenany fa tsy ho vita anatin’ny taona roa na telo izany. Mitaky fanarahana vina maty paika ny fanavotana ny firenena. Eo koa ny faharetana sy fiaraha-mientana ka nanome toky ny tenany fa tsy hikely soroka ary hanohy ny ezaka rehetra.

Synèse R.

Partager sur: