Vitsy ny olona mahafantatra ny aretina haromotana eto Madagasikara. Azo avy amin’ny viriosy avy amin’ny biby toy ny saka, alika, izany. Mitarika amin’ny fahafatesan’ ilay olona satria tsy mbola misy ny fanafody manokana hiadivana amin’izany.
Aretina azo avy amin’ny viriosy ary mifindra amin’ny alalan’ny kaikitra na lelaka amin’ny fery na rangotra avy amin’ny biby (saka, alika) iray marary ny haromontana. Avy amin’ny kaikitry ny alika avokoa ny 99% ny aretina sy ny trangana haromotana mahazo ny olona, raha ny tatitra navoakan’ny Organisation mondiale de la santé (OMS). Mahatratra 59 000 isan-taona ny olona matin’ny haromotana maneran-tany. Olona iray isaky ny sivy minitra no lavon’ny aretina ary ankizy latsaky ny 15 taona avokoa ny 40% amin’izy ireo. Olona maherin’ny 29 tapitrisa no vita vaksiny rehefa nokaikerin’ny biby mba ho fisorohana ny fihanaky ny haromotana.
“Anisan’ny aretina mitondra finoanoam-poana ho an’ny olona maro ny haromontana eto Madagasikara, noho ny tsy fahalalany ny aretina”, hoy ny mpitsabo, Dr Ratsitorahana Maherisoa, tomponandraikitry ny fanentanana eo anivon’ny tetikasa Coramad sy miasa eo anivon’ny Institut pasteur. Maro ihany koa ny mihevitra fa mosavy ny aretina mahazo ilay olona nefa efa haromotana noho ny fisehoan’ny zava-mitranga. Maharitra eo amin’ ny15 andro hatramin’ny 6 volana eo vao miseho ny soritraretina ho an’ireo olona voakaikitry ny biby nisy haromotana. Izany no mahatonga ny maro mihevitra fa mosavy fa tsy haromontana ny nahazo ilay olona, raha ny fanazavana hatrany.
“Raha vao miseho ny soritraretina (signe clinique) dia tsy misy azo atao intsony fa tsy maintsy ho faty ilay olona voan’ny haromotana”, hoy ny fanazavan’ny mpitsabo. Amin’ny maha aretina azo avy amin’ny viriosy azy, mety hisy hafanana ilay olona, na mangovitra. Miteraka tahotra rano (hydrophobie) na tahotra tsio-drivotra (aerophobi) ny tena ahafantarana ny olona iray voan’ny haromotana. Raha tolorana rano na tsofina ny olona misy ny tsimokaretina dia tena matahotra tanteraka. Nambarany fa rehefa miseho ireo tranga ireo dia tokony ho tsapan’ny olona avy hatrany fa nisy fifampikasohana na voakaikitry ny biby tao anatin’ny fotoana fohy na elaela ilay olona. “Tsy misy hevitra intsony fa tonga dia fahafatesana no miandry ilay olona raha miseho ireo tranga ireo”, hoy izy nanamafy. Tsara ny manatona tobim-pitsaboana avy hatrany raha vao avy nokaikerin’ny biby mba hisorohana ny fahafatesana. Izy ireo no manoro ny toerana tokony hatonina hanaovana vaksiny ho an’ireny olona ireny.
Vosirina ny alika mirenireny
Tsy vonoina ny alika mirenireny fa vosirina mba tsy hitomboan’ny isan’izy ireo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ataon’ny tetikasa Coramad io vahaolana io. Tsy hita eo no ho eo ny vokatra fa ao anatin’ ny fotoana maharitra, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, ho an’ny tokantrano tsirairay, tsy avela hirenireny ny alika sy ny saka ary raisina an-tanana sy karakaraina toy ny biby fiompy rehetra ihany koa. Anisan’izany ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny haromontana sy ny aretina maro samihafa.
Vaksiny hiadiana amin’ny haromotana
Maimaimpoana ny vaksiny hiadiana amin’ny haromotana ary efa manana izany isika eto Madagasikara. Tsy mbola marisika amin’ny fanaovana vaksiny aorian’ny kaikitra nahazo azy ny ankamaroan’ny olona. “Mazoto manao vaksiny aorian’ny kaikitra nahazo ny olona teny amin’ireo toerana nisian’ny fanentanana sy fampianarana”, hoy hatran izy. Nambarany hatrany fa tsara raha atao manerana an’i Madagasikara ny tetikasa tahaka izao, mba tsy ho fatifaty ho azy ny olona, indrindra any ambanivohitra.
Hetsika hiadiana amin’ny haromontana
Notanterahina tetsy amin’ny Skate Park Antanimena, ny sabotsy teo, ny hetsika fanentanana mahakasika ny ady amin’ny haromontana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Coramad, novatsian’ny ambasady frantsay vola. Misy ny fiaraha-miasan’ny Institut pasteur sy ny Cirad nahafahana nanatanteraka izany. Tanjona ny tsy hisian’ny olona matin’ny haromontana intsony amin’ny taona 2030, araka ny vina napetraka maneran-tany.
Fihetsika tsara atao raha voakaikitra
Raha toa ka voakaikitry ny biby misy aretina ny olona iray, fanasana ilay faritra voakaikitra amin’ny rano sy savony atao mandroatra tsara mandritra ny 15 minitra ny fihetsika voalohany indrindra. Faharoa, manatona ny tobim-pahasalamana manokana mandray an-tanana ny haromontana, toy ny CTAR, Institut pasteur. Atao mandritra izany ny fanaovam-baksiny intelo miantoana ary vitaina hatramin’ny farany. Arahi-maso manokana mandritra ny 10 andro any amin’ny vétérinaire ilay alika nanaikitra.
Nanatontosa : Mino