Anisan’ny vanim-potoana mampirongatra ny haromotana ny vaninandro mafana tahaka izao. Ahitana tranga maro momba izany ny any amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Vokany, tafiditra ao anatin’ny faritra mena mahakasika io tranga io ny any an-toerana.
Mirongatra ny haromotana mahazo ny olona, izay azo avy amin’ny kaikitry ny alika, any Toamasina, nanomboka ny volana novambra teo. 45 ireo olona voakaikitry ny alika tany an-toerana, ny 8 sy 9 novambra teo. Vehivavy ny 25 tamin’izy ireo, raha lehilahy kosa ny 20. Tsy nijanona teo izany fa nitohy hatramin’ny herinandro iray taorian’ireo andro ireo. Mifindra amin’ny olombelona ny aretina, ary olona iray no maty vokatr’izany, raha ny fanadihadiana natao. Tandindomin-doza, araka izany, ny fahasalamam-bahoaka ao Toamasina manoloana izany. Nalefa any amin’ny Institut Pasteur Antananarivo ireo singa nalaina tamin’ ilay alika sy ireo olona voakaikitra taorian’izay. Voaporofo tamin’izany fa haromotana avokoa ny mahazo azy ireo. Nahampafantarina ny fitondram-panjakana ao Toamasina ny fahamaroan’ny tranga taorian’izay. Nisy, noho izany, ny famoahana didim-panjakana, laharana faha-38/2024/minister/ prefet/Toa, ny alakamisy 28 novambra lasa teo. Mba hisorohana ny fiitaran’ny tranga sy ny aretina, ilaina ny fandraisan’andraikitra eo amin’ny kaominina sy ny sampandraharahan’ny fiompiana.
Mahafaty ny kaikitry
ny alika
Miteraka voka-dratsy maro eo amin’ny fahasalamam-bahoaka ny haromotana vokatry ny kaikitry ny alika, indrindra ho an’ireo alika romotra. Anisan’ny zava-doza amin’izany ny fahafatesan’ny olona voan’ny aretina. “Eo koa ny fiitaran’ny aretina ho amin’ny fahaverezan’ny saina, ny mahalasa adala ary misy mihitsy ireo lasa toy ny biby”, raha ny fanazavan’ny dokotera Paulin, misahana manokana ny ivontoerana fitsaboana ireo olona voakaikitry ny biby eo anivon’ny sampana vonjy taitran’ny hopitalibe Toamasina.
Tovolahy iray 35 taona, malaza amin’ny fibaikoana alika no voakaikitry ny alika baikoany, ny 18 novambra teo. Nentiny notsaboina teny anivon’ny hopitaly ny ratra nahazo azy taorian’izay. Taty aoriana anefa, nihombo ny aretina, satria tsy nanatona fitsaboana manokana mitsabo izany izy. Vokany, lasa nitarika tamin’ny fahaverezan’ny sain’ilay tovolahy izany. Voatery tsy maintsy naiditra hopitaly izy io ny 22 novambra lasa teo satria lasa romotra, mitsipatsipaka ary lasa manao toy ny toetran’ireny alika ireny izy. Nanao izay ho afany tamin’ny fitsaboana azy ny mpitsabo teo anivon’ny hopitalibe, izay nandray an-tanana azy, fa tsy tana intsony ny ainy. Maty ny 23 novambra teo ity mpibaiko alika malaza ao Toamasina ity.
Mampirongatra ny aretina ny fotoana mafana
“Fotoana mahabetsaka sy mampirongatra ny haromotana eo amin’ny biby ompiana ao an-tokantrano ny vanim-potoana mafana tahaka izao”, hoy ny mpitsabo, Dr Paulin.
Mety ho voan’izany avokoa na ny alika na ny saka na ny biby hafa aza. “Mahafaty ny olona voakakitra ny haromotana azo avy amin’ny kaikitra na rangotra ataon’ny alika”, raha ny tatitra voaray hatrany.
Famonoana alika faobe
Ahitana alika mirenireny ny ankamaroan’ny toerana maro eto amin’ny Nosy. Anisan’ny ahitana izany ny ao an-tanànan’ i Toamasina. Lasibatra amin’ny mety ho voakaikitry ny alika mirenireny ireo ankizy handeha hianatra, raha ny fanadihadiana natao hatrany. Mihorohoro ny tahotra, araka izany, ireo ankizy ireo noho ny hamaroan’ny alika mivezivezy eny an-dalana. Manoloana izany, miantso ny tomponandraikitra ao Toamasina ny ray aman-drenin’ny mpianatra mba handray fanapahan-kevitra mahakasika ireny biby ireny. Anisan’ny takin’ny maro ny famonoana ny alika mirenireny mba hialana amin’ny kaikitra mety hahazo ny olona.
Milaza ho tsy manam-bola hanatanterahana io hetsika io ny eo anivon’ny kaominina noho ny halafon’ny fanafody ampiasaina amin’ izany, raha ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, tsy andrenesam-peo ny eo anivon’ny sampandraharahan’ny Fiompiana, izay heverina ho tompon’antoka voalohany amin’ireo alika mirenireny. « Tsy hifarana ny trangan’ny haromotana raha tsy any amin’ny fiandohan’ny taona 2025 any ho any ka ilana fandraisana andraikitra », raha ny nambaran’ny mpitsabo.
Fisorohana ny aretina ny vaksiny
Ho fisorohana ny aretina sy ny trangana haromotana mahazo ny biby fiompy, ilaina ny fanaovana vaksiny ny alika sy ny saka taizana ao an-tokantrano. Ankoatra izay, tokony hanatona hopitaly avy hatrany ny olona iray raha toa ka voarangotra na voakaikitra na ipitihana roran’alika sy saka ka tonga anaty maso. Etsy ankilany, ilaina ny fanasana ilay voakasika amin’ny rano sy savony mandritra ny 15 minitra eo, mialoha ny hitondrana azy any amin’ny hopitaly.
Nanatontosa : Sajo