Fanolanana tany Toamasina : namoahana didy famosirana voalohany ny lehilahy iray, 28 taona

Sambany teo amin’ ny tantaran’ny fitsarana ambony any Toamasina, misa­hana ny ady heloka bevava, ny famoa­hana didy famosi­rana ho an’ny olona tratra nanolana ankizivavy. Raim-pianakaviana iray, 28 taona, no niharan’izany taorian’ny fiakarany fitsarana.

Niakatra fitsarana tany Toamasina, ny raim-piankaviana iray, 28 taona, ny zoma 6 desambra teo. Antontan-taratasin’ady roa samihafa ny hanenjehan’ ny fitsarana azy. Voalohany, ny taratasin’ady fiampangana azy namono ny vadiny tao amin’ny kaominina ambani­vohitra Mangabe, distrikan’ i Toa­masina II, araka ny laharana faha-123- Toa/24. Niakatra fi­tsarana mahakasika izany izy ny talata 3 desambra lasa teo. Vokany, nomelohin’ny fitsa­rana ambony misahana ny ady heloka bevava ho voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny folo taona izy. Faharoa, ny antontan-taratasin’ady hanenjehana mitondra ny laharana faha-91-Toa/24. Izay nahavoasazy azy folo taona an-tranomaizina ihany koa. Raha tsiahivina, nanolana ankizivavy tsy ampy taona, niampy fa­nao­vana herisetra ity raim-pianakaviana ity. “Nirava avy na­monjy alim-bavaka aho ny andron’ny 04 novambra 2023, ary efa nam­benan’ity lehilahy ity teny an-dalana”, hoy ny fa­nazavan’ny niharam-boina, nandritra ny famotorana teny anivon’ny fi­tsarana. “Nosaka­nany sy no­rahonany tsy hitabataba aho, avy eo, nanao­vany ny filan-dratsiny avy ao aloha sy avy ao aoriana ary notereny nampidirina tany am-bavako ny filahiany”, hoy ny fitantarany.

Zanaky
ny rahavavim-badiny

Fantatra tamin’ny famotorana fa mbola zanaky ny rahavavim-badiny ity tovovavy naholany ity. Vokany tsy nisalasala ny mpampanoa lalana fa tokony hampiharina ny lalàna henjana indrindra ity lehilahy ity. Nangataka hatrany ny mpampanoa lalàna ny hampiharana ny lalàna laharana faha-332 bis, momba ny famosirana. Vokany, nilatsaka ny didy taorian’ izay ka voaheloka hiasa an-terivozona mandritra ny 7 taona ny voampanga. Mbola namoahana didy hovosirana ihany koa. “Didina ny hamosirana na tsindromina ny voampanga mba tsy ahafahany manao firaisana intsony », hoy hatrany ny mpitsara mpamoaka didy.

Fitsarana be mpanaraka ny niseho ny 6 desambra teo

Fotoam-pitsarana azo la­zaina ho be mpanaraka indrindra ny fitsarana tany Toama­sina, ny zoma 6 desambra lasa teo. Raharaha nahafantarana mpanao heloka, nahalalana ireo voampanga efa mpamerin-keloka ary tena biby natahoran’ny mponina tao amin’ny kaominina ambani­vohitra Mangabe, disitrikan’i Toamasina II. « Mbola betsaka ny ankizivavy tsy ampy taona any an-toerana saika hararaotin’ity tovolahy 28 taona ity”, hoy ireo mponina nanatrika ny fitsarana. Nambaran’izy ireo fa izy ireo ihany no sahy nitoroka ka nampiakatra fitsarana.

Miseho mahafantatra olona ambony
Anisan’ny tena natahoran’ ny mponina any an-toerana ny filazan’ity raim-pianakaviana iray nanolana ity fa mahafantatra olona ambony izy. “Ni­seho ho mahitahitabe ity lehilahy ity, noho izany, matahotra hitory azy ireo niharam-boina”, hoy ny olona. “Tratra ny tsy nampoizina sy ny mahay azy anefa izy tamin’ity indray mitoraka ity ka izao nipotran’ny trangana famonoana sy fanolanana nataony tany Toama­sina izao”, hoy ny fokonolona tonga nanatrika ny fitsarana.

Sajo

 

Mirongatra ny vono olona

Mitana ny laharana voalohany eo anivon’ny fitsarana am­bony misahana ny ady heloka bevava ny raharaha vono olona sy fanolanana. Tsy ny olona alavitra intsony no fahavalo ankehitriny fa ny havana akaiky ihany. Ankoatra ity tovolahy 28 taona ity, voarohirohy nanao vono olona niharo halatra ny raim-pianakaviana 60 taona sy lehilahy 17 taona, tamin’ny 16 jona 2022. Tranga niseho teo anelanelan’ i Marovato sy Man­gara­maso, kaominina ambanivohitra Foulpointe, araka ny taratasin’ady laharana faha 61-Toa/24. Voaroba, tamin’izany, ny finday sy ny vola 1 700 000 Ariary hividianan’ny voaroba kisoa. Raha toa ka nokapaina tamin’ny antsy ary natsipy anaty ala kosa ilay novonoina rehefa maty. Vokany voaheloka hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny ny raim-pianakaviana 60 taona. Raha toa ka voaheloka hiasa an-terivozona 10 taona ny tovolahy 17 taona. Izay voaaron’ny lalàna 112-016 tamin’ ny 22 jolay 2016 « excuse de minorité ».

Partager sur: