Fitaovana iray ilaina sy manan-danja betsaka amin’ny fiainan’ny olona andavanandro ny kodiaran-droa (moto). Fitaovana mahatonga lozam-pifamoivoizana betsaka indrindra koa anefa izy io noho ny tsy fahafehezana ny fampiasana azy sy ny tsy fahaizana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.
Fitaovana iray tsy afa-miala amin’ny fiainan’ny olombelona intsony ny fampiasana moto, amin’ny ankapobeny. Mahatonga karazana trangana lozam-pifamoivoizana matetika anefa izy ireny raha tsy voafehy. “Noho ny tsy fahampian’ny fahafantarana ny tena olana amin’ny fampiasana kodiaran-droa, hatrany amin’ny fividianana azy ka hatrany amin’ny fampiasana azy”, hoy ny filoha mpitantana ny fikambanana Deux Roues Mada, i Tolojanahary Laurent. Nambarany fa raisin’izy ireo ho anjara andraikitra lehibe ny fampianarana ho an’ny mpampiasa ireny fitaovam-pitaterana ireny, izay vao miditra amin’ny fanasaziana. Efa misy ny ezaka ataon’ny tomponandraikitra ara-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ahafahana mahatratra izany tanjona izany, ho an’ny eto amin’ny Nosy.
Maro ny antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Eo ny faharatsian’ny fotodrafitrasa, ny tsy fahafehezana ny familiana sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny fahamamoan’ny mpamily, ny fandehanana mafy loatra, sy ny maro hafa. Ny toe-tsaina sy ny fihetsik’ireo mpitondra kodiaran-droa eny an-dalana no tena antony voalohany mahatonga ny loza, izay manodidina ny 89% ny tahan’ izany, raha ny fanazavana hatrany. Tafiditra ao anatin’izany ny hetraketraky ny mpitondra, ny fitiavana handeha mafy, ny tsy fahazaina mifandefitra, ny fisongonana any amin’ny ankavanan-dalana ary ny tsy fahaizana lalàna mifehy ny fifamoivoizana… Antony faharoa ny tsy fahatomombanana eo amin’ ny lafiny teknikan’ilay kodiaran-droa, izay manodidina ny 8% eo ny taha. Antony fahatelo kosa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafin’ny lalana, manodidina ny 3% eo ny taha mahakasika izay, raha ny fanavana voaray teo anivon’ny DGSR.
Mahafaty olona maro
Mahafaty olona manodidina ny 1,35 tapitrisa isan-taona ny lozam-pifamoivoizana maneran-tany. Mpandeha tongotra, mpitaingina bisikileta ary mpitondra moto ny 54% ireo olona maty ireo. Raha ho an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina, 70 ny trangana lozam-pifamoizana tamin’ny kodiaran-droa (moto), teo anelanelan’ny volana janoary sy avrily tamin’ity taona 2024 ity, raha ny tatitra avy eo anivon’ny Direction générale de la sécurité routière (DGSR). Nahatratra 18 ireo maty vokatr’izany, tanora avokoa ny ankamaroan’izy ireo. Manodidina ny 221 ireo olona lasibatra ary 203 kosa ireo naratra. 163 ny lehilahy tamin’izy ireo, raha 58 kosa ny vehivavy. Manodidina ny 133 kosa ireo trangana lozam-pifamoivoizana teto Analamanga nandritra ny enim-bolana voalohany tamin’ity taona ity, raha ny tatitra teo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Manodidina ny 22 ireo loza nateraky ny fitondrana kodiaran-droa tamin’ireo. Nahafatesan’olona 28, raha toa ka 11 ireo matin’ny kodiaran-droa tamin’izany, izay nahitana ankizy latsaky ny 14 taona roa, raha ny tatitra voaray.
Ilaina fitandremana
Ankoatra izay, “entanina foana ny mpitondra azy ireny hitandrina satria carrosserie vatana ny kodiaran-droa”, hoy i Tolojanahary Laurent. “Mila mianatra momba ny familiana sy ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny mpitondra sy mpampiasa azy ireny”, hoy kosa Ralambonirina Dina, tomponandraikitra avy amin’ny Dam’Hay. Ankoatra izay, ilaina ihany koa ny fidirana amin’ny sehatry ny ara-dalàna mba hananana antoka raha sedra loza, toy ny fandoavana ny “assurance”, raha ny fanazavana azo. Etsy andaniny, ny fahaizan’ny rehetra mitandrina eny an-dalana.
“Rider Events”, hanafoanana ny loza
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tetsy Mahamasina, ny “Rider Events”, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’ny Dam’Hay sy ny Deux Roues Mada. Nahitana karazana fanentanana amin’ny endriny maro, fampianarana ny mpitondra kodiaran-droa amin’ny fitondrana ireny karazana fitaovam-pitaterana ireny. Tanjona ny hanafoanana ny karazana lozam-pifamoivoizana mateti-piseho eny rehetra eny. “Efa maro loatra ny trangana lozam-pifamoivoizana miseho eny an-dalana ka antony nanaovana ny hetsika”, hoy ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny hetsika. Nentanina koa ireo mpitondra kodiaran-droa mba haka fahazoan-dalana ahafahana mitondra ireny fitovam-pitaterana ireny. Nambarany fa olona tsy mahafehy ny lalana, ny kodiaran-droa ary ny lalàna mifehy ny fifamavoizana ny ankamaroan’ireo mpitondra izany eto amin’ ny Nosy ka antony mahatonga ny lozam-pifamoivoizana. Hisokatra manerana ny Nosy ny hetsika manaraka fa tsy hijanona eto Antananarivo ihany, raha ny fanazavana voaray.
Ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, ilaina ny fahaizana sy fahafehezan’ny mpamily ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Eo koa ny fifehezan-tena, toy ny tsy fandraisana zava-pisotro misy alikaola. Ny famerana ny hafainganam-pandeha, ny fampiasana aro loha, aro tongotra, sns, ho an’ny kodiaran-droa.
Nanatontosa : Mino