Renivohitr’i Toamasina : Mikorontana ny fifamoivoizana, miteraka loza maro

Anisan’ny olana mahatonga ny trangana tsy fandriampahalemana sy lo­zam-pifamoivoizana ny faharatsian’ ny fotodrafitrasa. Miaina tanteraka iza­ny zava-misy iza­­ny ny ao Toa­ma­sina Renivohitra.

Mikorontana tanteraka ny lafiny fifamoivoizana ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka, amin’izao foto­ana izao. Antony mahatonga izany ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro ao an-toerana. Vokany, tsy voahaja intsony ary minia tsy hajaina ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana sy ny fampiasana ny karazam-pitaterana. Lasa samy manao izay tiany sy ny danin’ny kibony avokoa ny mpampiasa lalana rehetra, raha ny zava-misy any an-toerana. Mirongatra ihany koa ny fanaovana kolikoly noho ny fahasimban’ny fotodrafitrasa maro sy manoloana ireo aina nafoy maro sy naharatrana olona maro. Noho ny hamaroan’ny fotodrafitrasa simba, lasa fahazaran’ny ka­miao lehibe ny mamakivaky ny lalana rehetra ao anatin’ny renivohitry ny faritra Atsina­nana tato ho ato. Mandeha foana izy ireo na amin’ ny ora tsy tokony handehanana aza. Amin’ny ora mahabetsaka ireo mpampiasa lalana izy ireo no tena mandeha sy mamakivaky ny renivohitra. Anisan’ny tena ahitana izany ny ao amin’ny fokontany Morafeno sy Cité Valpinson. Vao nahitana izany tranga izany ny faran’ny herinandro teo. Voafaokan’ny kamiao, tamin’izany, ny tariby mitondra herinaratra sy tambajotram-pifandraisana tao amin’ireo fokontany roa ireo. Nahatonga fahatapahan’ny herinaratra sy fahatapahan’ny tambajotran-tserasera “con­nexion” izany. Ankoatra izay, miteraka fatiantoka roa sosona eo amin’ny mponina any an-toerana izany zava-misy izany, raha ny fanadihadiana natao hatrany.
Misy ny ezaka ataon’ny polisim-pirenena sy ny polisy kaominaly mandrindra ny fifamoivoizana. Raha tsorina, tsy hita taratra amin’ny fampiasan’ny tsirairay ny lalana izany.

Mahatonga ny loza hatrany ny kamiao
Efa hitovy amin’ny olona maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena ireo maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana ao an-drenivohitr’ i Toamasina, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampandraharaha misahana ny vonjy taitra, eo anivon’ny Hopitaly Be. Tato anatin’ny roa herinandro, saika kamiao lehibe hatrany ireo mahatonga ny lozam-pifamoivoizana, mifandona amin’ny posy na moto na bajaj izy ireny amin’izany. Ankoatra izay, fantatra tamin’izany ihany koa fa tsy latsaky ny dimy isan-kerinandro ireo maratra tamin’izany. Etsy ankilany, matetika iharan’ny lozam-pifamoivoizana, any an-toerana, ny moto sy ny bajaj. Miseho matetika ny lozam-pifamoivoizana amin’ny andro tsy fiasana, raha ny fanazavana voaray.

Tsy mahay lalàn’ny fifamoivoizana ny posy
Amin’ny ankapobeny, tsy mahay ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ny mpitondra posy any an-drenivohitr’ i Toamasina, raha ny fanadihadiana natao. Tia mandeha mafy ny ankamaroan’izy ireny, misy tia misongona fiara na bajaj mihitsy izy ireny. Izay no mahatonga fifandonana amin’ny mpandeha hafa foana. Ra­ha ny tranga farany teo, nisongona kamiao ny posy iray tao amin’ny Cité Canada, nianjera vokatr’izany ilay posy ary maty voahitsak’ilay kamiao ny olona nentiny.

Tsy mihatra ny lalàna

Lasa gaboraraka ny fitaterana any an-drenivohitr’i Toamasina, amin’izao fotoana izao. Efa lasa fitaovana ampiasain’ny jiolahy ny karazana fitaterana, posy sy moto ary bajaj, raha ny zava-misy any an-toerana.
Marihina fa efa nisy ny famoahana didim-panjakana teo anivon’ny prefektiora tamin’ny taona 2017, mahakasika ny fitondrana posy. Hatramin’izao, tsy mbola nisy ny fampiharana izany. Tsy afaka miasa alina ny posy noho izy tsy misy fiantohana ara-dalàna, raha ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Hatramin’izao, tsy misy ny fampiharana izany ka lasa manao izay tiany ny olona, indrindra ny jiolahy izay tena manao azy ireny ho fitaovana hanaovan-dratsy.
Ankoatra izay, ho an’ny fitaterana amin’ny moto, tsy mihatra ihany koa ny lalàna mahakasika ny fampiasana ireo aro loha sy aro tongotra sy ny maro hafa. Raha ny zava-misy hatrany, matetika ny jiolahy no manao aro loha rehefa hanao ny asa ratsiny, mba tsy hahafantaran’ny olona azy. Anisan’ny mampirongatra ny tsy fandriampahalemana ny fikorontanan’ny fifamoivoizana. Manamora ny fitsoahan’ny jiolahy avy manao ny asa ratsiny ihany koa izany.
Manahy ny mety hitomboan’ny trangana tsy fandriampahalemana sy ny lozam-pifamoivoizana ny mponina amin’ny fidiran’ny fotoam-pialantsasatra hoavy izao.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: