Ankazobe : zandary voalaza fa nitifi-tena tsy nahy

Namoy ny ainy omaly ihany ilay zandary voalaza ho nitifi-batana tao Ankazobe. Hatreto tsy mbola voafaritra mazava ny zava-nisy marina na nitifi-tena na tsy nahafehy ny basy teny an-tanany izy.

Nirefotra ny basy omaly maraina. Maty tsy tra-drano ilay zandary “hors classe” voatifitra teo amin’ny sorony, tao Anka­zobe. Tokony ho tamin’ny 06 ora maraina teo, mbola nandamina fifamoivoizana niaraka tamin’ireo namany telolahy hafa teo amin’ny fokontany Andranofeno, kaominina sy distrikan’Ankazobe ny tenany. Tampoka teo, nipoaka mafy ny basy. Voatifitra teo amin’ny sorony havia izy, nandriaka tanteraka ny ra. Araka izany, nikoropaka ny rehetra raha nahita ny zava-nisy. Nifamonjena nandritra izany ity zandary, raim-pianakaviana sahabo ho 40 taona naratra mafy ity.
“Tsy mbola voafaritra mazava ny zava-niseho ta­min’ity tranga ity. Azo lazaina kosa fa tsy fahafehezana basy ny antony nahatonga ny loza”, hoy ny fanazavan’ny zandarimaria ao an-toerana. Basy miaramila mihitsy ilay namoa-doza ary teny am-batany rahateo izany tamin’ny fotoana nisehoan’ity tranga ity, hoy hatrany ny loharanom-baovao.
Tsy avotra intsony

Taorian’izay, mbola noentina vonjimaika teny amin’ny hopitalin’Ankazobe ilay zandary naratra mafy. Indrisy anefa fa tsy tana ny ainy na dia nanao ny ezaka rehetra aza ireo mpitsabo nandray azy. Minitra vitsy taorian’io, nampandrenesina ny vaovao ireo fianakaviany. Omaly ihany, efa nanainga tao Imerin­tsiatosika hamonjy an’Anka­zobe ny havan’ny maty. Etsy ankilany, napetraka ao amin’ny tobin’ny zandarimaria ao an-toerana ny vata-mangatsiakany mialoha ny hatongavan’ny fianakaviany. Napetra­ka ao an-toerana ihany koa ilay basy namoa-doza.

Henintsoa H.

Partager sur: