Hamokatra 64MW ka hamatsy ny 25% ny filan’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA) sy ny manodidina ny toby mpamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano ao Ranomafana, distrika Ankazobe.
Hitombo ny angovo ho azo raha hihena kosa ny fiankinandoha amin’ny famokarana herinaratra ampiasana solika fa indrindra hampihena ny vidin-jiro ho an’ny mpanjifa ny fotodrafitrasa hatsangana. Ankehitriny, « milina mandeha amin’ny solika no mamokatra ny 70% ny herinaratra eto amintsika. Manodidina ny 1 200Ar ny vidin’ny KW raha mivarotra izany ho 764 Ar ho an’ny mpanjifany ny Jirama. Matiantoka ity orinasa ity, mavesatra ihany koa ny fandanian’ny fanjakana, izay mahatratra hatrany amin’ny 250 tapitrisa dolara ho fanampiana ara-bola ny orinasa », hoy ny filoha Rajoelina Andry, omaly, nandritra ny fametrahana ny vatofototra fanombohana ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny riandrano ao Ranomafana.
Mitombo ny famokarana
Tombanana hovitaina fara fahatarany ny volana jona 2028 ny tetikasa, handray an-tanana ny fanamboarana izany ny orinasa sinoa, Synohydro, matihanina amin’ny fanamboarana tohodrano mpamokatra angovo goavana maneran-tany. Nilaza ny filoham-pirenena fa mitombo avo efatra heny ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano raha 100 MW monja izany ny taona 2019. Mitotaly 438 MW ny famokarana herinaratra avy amin’ny rano ka avy amin’ny tetikasa Sahofika ny 192MW raha 120 MW kosa azo avy amin’ny volobe ary mahatratra 126MW ny fitomboan’ny famokarana herinaratra tao anatin’ny dimy taona.
Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny «Projet d’amélioration de l’accès à l’eau potable de Madagascar (PAAEP) ny fananganana ny toby mpamokatra rano 30 000m3 isan’andro ao Ambohitrimanjaka sy ny toby mpamokatra rano ao Mandroseza ary ny fanajariana fantson-drano 64km manerana ny renivohitra. Ao anatin’ny tetikasa Jirama Water 3 kosa ny fananganana ny toby lehibe mpamokatra rano 50 000m3 eny Amoronankona.
Henintsoa Hani