Fotoana mahabetsaka mpandeha avy eto an-dRenivohitra mankany amin’ny faritra manerana ny Nosy ny vaninandro fety toy izao. Betsaka mpandeha indrindra amin’izany ny any amin’ny faritr’i Betsiboka sy i Boeny.
Nahitana fiakarany ny tahan’ny olona miala ny Renivohitra mihazo ny faritra hafa manerana ny Nosy, tamin’ny fetin’ny Noely lasa teo, raha oharina tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny tobim-piantsonana Gara Makis Andohatapenaka, omaly. Tafakatra hatramin’ny 245 isan’andro ireo fiara miala an’Antananarivo mihazo ny faritra hafa ivelan’ny Renivohitra, tamin’iny fety iny hatramin’izao. Raha toa ka manodidina ny 110 eo ho eo izany rehefa vaninandro tsotra. Be mpandeha indrindra ny faritra Boeny sy Betsiboka, any amin’ny lalam-pirenena fahefatra. Manodidina ny 90 ireo fiara miala eto an-toerana mankany amin’ireo faritra roa ireo. Tao anatin’izay fotoana izay hatramin’izao, mpandeha betsaka indrindra mankany amin’ny faritra ny mpianakavy avy lavitra hamonjy fety any amin’ny fianakaviany, toy ny mpianatra sy ny mpivarotra. Ahitana fihenana ary hiverina amin’ny laoniny kosa izany amin’ny voalohan’ny taona any ho any. Nambaran’ny tomponandraikitra hatrany fa ho betsaka indray ny olona avy any amin’ ny faritra hiakatra eto an-dRenivohitra.
Fanamafisana ny fiarovana ny mpandeha
Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ireo sampana fitsarana fiarakodia (DGSR) amin’ny fanaraha-maso ny fiara alohan’ny hiangana eny anivon’ny tobim-piantsonana. Anisan’ny tsirihina amin’izany ny kodiarana, ny hisatry ny fiara, ny kalitaon’ny fiara, ny isan’ny mpandeha sy ny maro hafa. Tanjona ny hisorohana ny lozam-pifamoivoizana eny an-dalana. “Anisan’ny nanampy betsaka ny mpamily sy ny mpandeha ary ny asa fitaterana amin’ny ankapobeny mihitsy izany, indrindra tamin’ny fotoanan’ny fialantsasatra hatramin’ny fetin’ny Noely lasa teo”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny tobim-piantsonana Gara Makis Andohatapenaka, Ranaivoson Fidy. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpamily, nosahanin’ny GPM eo anivon’ny ATT. “Anisan’ny nitondra vokatra sy nanamafy ny firaisankinan’ny mpamily ihany koa izany”, hoy izy. Nohamafisiny fa tompon’andraikitra tanteraka hatrany amin’ny 80% ny eny amin’ny lalana ny mpamily.
Mitazona saran-dalana hatrany
Hatramin’izao fotoana, mbola mitazona ny saran-dalana nifanarahana hatrany ny eny anivon’ny tobim-piantsonana Andohatapenaka. Efa ela no nahitana izay fiakaran’ny saran-dalana izay ho azy ireo. Nambarany fa tsy maintsy ifampiresahan’ny mpisehatra sy ny mpitatitra rehetra ary ny tomponandraikitry ny kaoperativa tsirairay ny fieritreretana ny fampiakarana ny saran-dalana. “Tsy maintsy atao ny mampandeha ny asam-pitaterana amin’ny maha asa ho tombontsoam-bahoaka azy”, hoy Ranaivoson Fidy. “Afaka manatona ny tomponandraikitra kosa ireo mpandeha raha mahita endrika fanararaotana amin’ny fampiakarana saran-dalana”, hoy izy. Nilaza ny tomponandraikitra fa tsy tokony ho io ny saran-dalana raha ny fiakaran’ ny vidin-tsolika amin’izao. Tanjona amin’izany, ny hitsinjovana ny mpandeha.
Misedra olana ny fitaterana
Sehatrasa anisan’ny tena mandalo olana ny fitaterana noho ny antony maro samihafa. Tafiditra amin’izany ny fahatapahan-dalana noho ny haratsian’ny fotodrafitrasa, ny fiakaran’ny solika ampiasaina amin’ny fiara ary ny vidin’ny kojakoja isan-karazany amin’ny fiara fitaterana. Noraisiny ho ohatra amin’izany, ny fahatapahan’ny lalana ao Ifasy, any amin’ny lalam-pirenena fahenina, omaly, raha ny tatitra voarain’ny tomponandraikitra. Ahitana olana koa ny any amin’ny lalam-pirenena fahefatra, ny lalam-pirenena faharoa manomboka eo Andranomafana. Ho an’ny lalam-pirenena fahenina, manomboka eo Ambondromamy. Nambaran’ny tomponandraikitra hatrany fa anisan’ny mahatonga ny trangana lozam-pifamoivoizana ny tsy fahampian’ny fitaovana ara-kalitao ampiasana amin’ny fiara. “Mateti-piseho ny fipoahan’ny kodiarana noho ny hafanana be loatra, ka lasa mitera-doza eo amin’ny fiara sy ny mpandeha”, hoy izy.
Miteraka fatiantoka ny andro fety
“Tafiditra ao anatin’ny fotoana tena manahirana ny mpitatitra ny fotoan’ny fety tahaka izao satria mety hiteraka fatiantoka izany raha tsy mitandrina ny mpamily”, hoy hatrany tomponandraikitra. Be olona mankany amin’ny faritra rehefa fotoan’ny fety tahaka izao fa vitsy kosa ny olona miakatra eto an-dRenivohitra. Mety hijanona any an-toerana mandritra ny dimy na enina andro eo ny fiara iray miandry olona miakatra, raha ny fanazavana voaray. Mahatonga fandaniana mihoa-pampana ho an’ny mpamily ary mahatonga fatiantoka ho an’ny fiara izany.
Nanatontosa : Mino