Anisan’ny fikambanana “zoky” namolavola talenta maro ny Faribolana Sandratra. 35 taona aty aoriana, notoloran’ ny fanjakana mariboninahitra ireo mpikambana maro ao anatiny, ho fankasitrahana sy ho fampirisihana azy ireo hanohy ny ezaka vitany.
Nampiakarina ho eo amin’ny laharan’ny “Commandeur des arts, des lettres et de la culture” ny poeta, mpanoratra miisa 7 avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Nosalorana ny “Officier des arts, des lettres et de la culture” kosa ny mpikambana 17, raha toa ka nomena ny « Chevalier des arts, des lettres et de la culture » ny 16. Miisa 40 ireo mpiray faribolana ao amin’ny Sandratra no notolorana ny mariboninahitry ny kanto, omaly, tetsy amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy.
Lanonana marososona satria natao ho famaranana ny fankalazana ny faha-35 taonan’ny Faribolana Sandratra ihany koa izy io. « Be ny mpanoratra, fa ao koa ny mpanoratsoratra. Izahay kosa mitsodrano anareo hanohy ny efa natombokay tany amin’ny 35 taona ”, hoy i Jean Nalisoa Ravalitera. Zokiny indrindra sy mbola amin’ireo nanangana ny Faribolana tamin’izany fotoana ny tenany, filoha lefitry ny Akademia Malagasy, sady filohan’ny sokajy Teny sy Haisoratra. Anisan’ireo notolorana fanomezana manokana, noho ny vitany niaraka tamin’i Niry Solosoa sy Rakotomahafaly Norbert Eugène na Ranoe, izay mpandrindra nasionalin’ny Faribolana Sandratra izy.
“Andrandraina ny hoavy mamiratra ho an’ny Faribolana Sandratra. Tsy miasa irery ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina amin’ny fampiroboroboana ny kanto. Mbola manome toky fa ho eo akaikin’ny Faribolana Sandratra hatrany ny minisitera hanohy ny fiaraha-miasa efa nisy an-taonany maro”, hoy ny nambaran’i Mara Volamiranty Donna, minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. Ho fanamafisana ny firariantsoa no niantsany koa ny “Poeta”, sanganasan’i Randja Zanamihoatra, izay iray tamin’ ireo mpanorina ny Faribolana.
nasionaly, satria manana sampana amin’ireo distrika miisa 21 ny faribolana amin’izao fotoana izao. Miisa 439 ireo mpiray faribolana maneran-tany amin’izao. Ankoatra ireo boky manokana na iarahan’ireo mpanoratra, efa ho 28 taona ihany koa izao ny Gazety Ambioka, vokarin’ny Faribolana Sandratra. “Manao velakevitra mitety vohitra, antsan-tononkalo mitety vazantany, tsangan-tononkalo, teatra poetika sns, izahay”, hoy hatrany Ranoe. Nohamafisin’ ny zara kanto nataon’ireo mpikambana, solontenan’ny isam-paritra izany.
Zo ny Aina