Ny sabotsy 18 janoary izao, manomboka amin’ny 6 ora sy sasany hariva. Hotanterahina ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely ny hetsika « Taombaovao ». Fotoana hampahafantarana ihany koa ny teny filamatra sy fomba fiasa vaovao eo anivon’ ity foibe kolotoraly ity: « Cultuver demain », sady hanomezana rahateo ny fandaharam-potoana hotanterahina eny an-toerana, mandritra ny taona 2025.
Mandritra io « Taombaovao » io no hanehoana ny fifamatoran’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina an-tanàn-dehibe. Fahaiza-manao amin’ny fitaingenana « skate » sy « BMX » miaraka amin’ny GorisaGorisa. Ny « freestyle football » iandraiketan’ny Pifreestyle. Ao koa ny fampisehoana an-tsehatra ho-tarihin’i Gad Bensalem nahazo ny « Prix Théatre RFI 2024 ». Arahina « Soirée clubing » miaraka amin’ny DJ Manu ary ny tontolon’ny « musique acoustique » hiarahana amin’i Fidy Ratrimoarivony trio.
Mpanakanto maro no efa naneho ny talentany tao amin’ ny IFM Analakely. Fantatra fa hotohizana sy hatsarain’ny tomponandraikitra hatrany ny efa fomba fiasan-dry zareo tao anatin’izay 60 taona izay.
HaRy Razafindrakoto