Raha homena lanja: azo ivelomana ny dihy

30 000Ar ka hatramin’ny 70 000ar eo ho eo ny saran’ny fampianarana dihy ao anatin’ ny ora iray sy sasany. « Na tsy hampanan-karena aza, azo ivelomana ny dihy, raha ireo tarehimarika ireo no iaingana », hoy ny mpampianatra dihy. Mitovy sy tsy manalavitra ireo ihany koa ny karaman’ny mpan­dihy rehefa manaingo lano­nana samihafa. Hatramin’izao, anefa, mbola tsy mahazo ny toerana araka ny tokony ho izy ny dihy, raha ny fanazavan’ireto mpampianatra sy mpandihy ireto hatrany.
Tsy mbola ampy ny toeram-pampianarana dihy. Mi­tangorona eto an-dRenivohitra ny ankamaroany. Mbola voafetra be ihany koa ny dihy ianarana any amin’ireny. Saika ny dihy vahiny fanao any amin’ny lanonana isan-karazany no be mpitady, raha ny fanazavan’ ireto mpampianatra ireto ha­trany. Nohamafisin’izy ireo fa : « misy ao anatin’ny 1 volana no hianarany dihy miisa 3, satria, hono, hatao raharaha ny za­nany ». Tranga izay nambaran’ izy ireo fa tsy mametraka loatra ny maha dihy (fitaizana, fa­hasalamana, fanabeazana…) ny dihy fa karazana vonjitavanandro fotsiny ihany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: