Efa asa nirosoana, ary hotohizana ny fampiroboroboana ny indostrian’ny kolontsaina. Anisan’ireo vinan’asan’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina vaovao izany.
Notendrena ho tale jeneralin’ny Kolontsaina, eo anivon’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera, Ratovonirina Faly, fantatry ny maro eo amin’ny tontolon’ny kanto amin’ ny anarana DJ Gouty. Izy indray izany no nandimby an-dRazafiarison Francis (Francis Turbo), araka ny tapaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo. “Vonona hisahana ilay andraikitra, satria efa tsapa izao fa anisan’ny andrin’ ny fampandrosoana ny firenena ny kolontsaina. Himasoana ny fampiroboroboana ny indostrian’ny kolontsaina”, hoy ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Kolontsaina vaovao, raha nanontaniana mahakasika ireo vinan’ asan’ny minisitera izy.
Tsy izay ihany, hotohizana ary hofaranana ihany koa ny mahakasika ilay sata mifehy ny mpanakanto. Singa iray anatin’ ny tetikasa goavana “Fanavaozana ny politika ara-kolontsaina nasionaly” io. “Nifotorako hatramin’izay ity tetikasa ity, dia ny fikendrena ny mba hanavaozana ny tetikady hampiroboroboana ny kolontsaina samihafa, hanohanana ny fandraharahana ara-javakanto, ary hampiakatra ny lazan’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy hatrany ny tale jeneraly. Ankoatra ireo ny fameloma-maso ny vakoka, ny fanomezana sehatra ny mpanao hiragasy, sns.
Tsy vaovao amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny zavakanto, indrindra ny fitantanana eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina Ratovonirina Faly. Nisahana ny andraikitra maha talen’ny “Direction des arts et de la promotion artistique” izy nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao nanendrena azy ho tale jeneraly izao. Nialoha izay, efa nitana andraikitra amin’ny maha mpandrindra hetsika ara-kolontsaina ary nandalina foana taorian’izay. Mbola nitana andraikitra hafa, toy ny maha filohan’ ny Filankevi-pitantanan’ny Cnemd izy, ary filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Fond Lovako amin’izao fotoana izao. Ankoatra izay ny maha DJ Gouty, mpikosoka kapila sy mpanafanana lanonana azy, fantatra eo amin’ny tontolon’ny fikarakarana hetsika isan-karazany koa izy. Anisan’ireny ny hetsika notontosain’ny minisitera, toy ny « Tokotany Be 2024 », izay nanomezana sehatra ny indostrian’ny zavakanto sy ny kolontsaina.
Zo ny Aina