“Amour’rire”. Araka ny anarany, andian-tseho manasongadina ny hatsikana sy ny resa-pitiavana izy ity. Hiditra amin’ ny andiany fahatelo ny hetsika, izay hotontosaina ny alahady 16 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena.
Hifarimbona an-tsehatra mandritra izany ireo mpanao hatsikana kalaza toa an-dry Francis Turbo, Honorat, Rajao, Barhone, Riri sy Aldini (Etsetra etsetra) ary i Raytra Bellawick. “Fampitambarana ireo mpanao hatsikana zokiny sy zandriny, hanao resa-pitiavana io. Misy “amour”, misy “rire” dia misy “hira” satria izay mihitsy ny teny fanevan’ny hetsika, araka ny fanazavan’i Luc Hervé, mpikarakara avy ao amin’ny LH Pro.
Hita taratra anatin’ilay rakitsary novokarin-dry zalahy ireto, nanaovany hira tambatra izay fiarahana izay. Samy manana ny fisarihany ny tsiky sy tokelaka eny amin’ireo mpijery ry zalahy ireo, na ireo efa ela nanaovana hatsikana na ireo mpandimby aty aoriana. Samy manana ny teknikany ihany koa, kanefa afaka miaraka tsara anatina hatsikana iray.
Rehefa fankalazana ny andron’ny mpifankatia, manodidina ny datin’ny 14 febroary no fanaovan’ny LH Pro fampisehoana hatsikana iray. Misy karazany maro izany, fa anjaran’ny “Amour’Rire” ny amin’ ity. Tsy isan-taona mantsy io seho io, fa tamin’ny 2018 ny voalohany ary 2022 kosa ny andiany faharoa. Miova isaky ny andiany ny mpandray anjara sy ny endriky ny fampisehoana. Ny anton’izay, mba tsy hamerenana seho efa fahitan’ ny olona, izay fady amin’ny fampisehoana hatsikana. Seho fanokafana ny faha-15 taonan’ny LH pro ihany koa io, raha ny fanazavana, omaly.
Zo ny Aina