“Alitaram-poezia”. Lohatenin’ny boky navoakan’i Lalaina Ravahy io. Ampy hitarafana ny fironan’ity poeta ity,
amin’ny lohahevitra kirakirainy anaty asa soratra ihany koa.
10 taona teo izay no tena nanoratra tononkalo izy… Fa efa nanandrana ihany tamin’ny fahakeliny Razafindravahy Voahangy Lalaina, fantatra amin’ny anarana maha poeta hoe Lalaina Ravahy. Mpanoratra, poeta ihany koa ny raibeny sy ny rainy, ka efa tao anatiny ihany izany. Koa satria misy fotoanany ny zava-drehetra, ka tao anatin’izay 10 taona izay no tena niredareda ny aingam-panahy tao anatin’ity poeta ity.
10 taona nikorisan’ny penina, namoaka ny aingam-panahy avy any amin’ny ati-fo sy fanahy. Nahavita tononkalo maherin’ny 300 mantsy i Lalaina Ravahy nandritra izay fotoana izay, ary nirona tamin’ny fiainam-pitiavana ankapobeny ny lohahevitra. Hita taratra izany anatin’ilay boky “Alitaram-poezia”, mirakitra ireo sanganasan’ity mpanoratra ity.
“Mirakitra ireo tononkalo notsongaina manokana izy ity. Miisa 136 ireo asa soratro nofantenina ao, izany hoe, izay heverina fa kanto indrindra nandritra izay 10 taona nanoratana izay no hatolotra”, hoy ny fanazavan’i Lalaina Ravahy. Ny Fontsy Edisiona no nanonta sy namokatra ny boky. Ireo poeta Hasinaly sy R.H.A Nary kosa no nanao ny teny fanolorana sy famaranana.
Ho fampahafantarana ny boky, hisy ny hetsika izay hotontosaina eny amin’ny IKM Antsahavola, ny 15 febroary ho avy izao. Antsan-tononkalo voafantina avy ao amin’ny boky “Alitaram-poezia” no iarahan’i Lalaina Ravahy sy ireo poeta namany mifarimbona mandritra izany. Horavahina hirahira sy resadresaka ny fotoana, ankoatra ny fiarahana maka sary amin’ny mpanoratra.
Tsiahivina fa tsy vao izao no tazana teo amin’ny tontolon’ny kanto i Lalaina Ravahy. Anisan’ny nahafantarana azy ny fandraisany anjara, ka nahazoany amboara tamin’
ilay fifaninana “Neny Miavaka”, ny taona 2022. Natao indrindra ho an’ireo reny miavaka amin’ny talenta, nahalehibe sy nahatafita zanaka ny fifaninanana tamin’izany.
Zo ny Aina