Fidiovana – Hasina – Tsodrano: 30 marsa ny « Taombaovao Malagasy »

Afaka mankalaza ny «Taombaovao Malagasy» avokoa ny Malagasy. Fantatra fa ny 30 marsa izao izy io ho an’ity taona 2025 ity. Anisan’ ny zava-dehibe sady antom-pisian’ny Taombaovao Mala­gasy ny fidiovana sy hasina ary tsodrano. Ho an’ny lamina voajanahary, manomboka izao fotoam-pahavaratra izao ny fanadiovana hoentin’ny zavaboahary. Ho an’ny tsirairay, efa azo atao ny manadio ny fo sy ny saina ary ny fanahy. Toraka izany koa ny toerana rehetra (toeram-piasana, toeram-ponenana…) tiana hodiovina. Rehefa madio, miverin-kasina. Ny 30 marsa, mifampiarahaba ny rehetra. Mifampitsidika, mifampitsodrano, miaraka misakafo… Marihina fa an’ny Malagasy rehetra ny «Taombaovao Ma­lagasy». Noho izany, tsy voafetra ho an’ny eto Mada­gasikara irery ihany,
Entanina ny sekoly
Tahaka ny natao tao ana­tin’izay fotoana nankalazana ny «Taombaovao Malagasy» izay. Entanina ny sekoly rehetra na ny miankina na ny tsy miankina (fanjakana, finoana…) hanamarika ity vanim-potoana lehibe ho an’ny Ma­lagasy sy i Madagasikara ity. Ny 31 marsa sy ny 1 avrily, no hanatanterahin’izy ireo izany. Hampahafantarina ny ankizy sy ny tanora ireo fomba amam-panao niatrehan’ny Malagasy ny fidiovana sy ny famerenan-kasina ary ny tsodrano. Ny kolontsaina sy ny zavakanto nataon’ny Malagasy fahiny, sns. Miankina amin’ny fahafahan’ny sekoly tsirairay.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: