“Taombaovao” : Nahitana soritra ireo hetsika homanin’ny IFM

Hafakely hatrany. Vao nihilana ny masoandro ny sabotsy teo, nitangorona teo Analakely ireo tanora mpilalao skate, bmx ary freestyle football. Nampiditra ilay hetsika “Taombaovao”, fanaon’ny Institut Français de Mada­gascar (IFM) isan-taona izy ireo. Efa nivonona tamin’ny fampisehoana kosa ny tao anaty efitrano. Nanehoana karazan-javakanto voafantina sy voarindra, tao anatin’ny ora iray teo izany. Hita taratra nandritra ny seho “Taom­baovao”, ny mety ho endriky ny hetsika rehetra sy ny taom-pampisehoana 2025 hoan’ny IFM. Mozika, dihy, teatra, literatiora, niomerika… natambatra haneho ny lohahevitra. Niavaka isaky ny fidirana ny seho, izay tsy nahagaga satria notarihin’i Gad Bensalem, izay tena manan-talenta marolafy tokoa. Notohizan-dry Fidy Ratrimoarivony Trio tamin’ny mozika akostika izany, nialoha ny fanafana nataon’i Dj Manu.
Feno dia feno ny fandaharam-potoan’ny IFM amin’ny lafiny kolontsaina, ho an’ny taona 2025. Anisan’ny nambara tao fa ho vahinin’ny “Un jour, un artiste” ny tarika Dizzy Brains. Lafiny mozika izay ihany, andrasana ny seho goavana amin’ny « Fête de la musique », ny sehon’i Dilo sy Fara Gasy ary ny seho fanao faran’ny taona. Misy maromaro koa ireo « festivals » amin’ ity taona ity. Ny « Temps fort Théatre » andiany faharoa, ny « Temps fort danse » ho an’ny dihy, ny «Madajazzcar », ny « Slam national », ny « Zaza mifety », sns. Tsy latsa-danja ny fampirantiana samihafa toa ny « « Prix paritana », « Helio volana », « Zafimaniry éternel”, “Joba Mena », sns. Hiakatra lenta toa izany koa ny lafiny sarimihetsika, izay andraisan’ny IFM ny andiany voalohany amin’ny « Festival international du film d’animation de Madagascar ». Efa mahazatra kosa ireo hetsika momba ny literatiora sy ny boky amin’ny ankapobeny, tena nahafantarana ity ivon-kolontsaina frantsay eto amintsika ity.

Zo ny Aina

Partager sur: