TARATRY ny KANTO

“Mifampizara rano”. Fampirantiana saripika, hatao ao amin’ny Alliance Française Toliara izy ity. Hanomboka anio izany, ka tsy hikatona raha tsy ny 1 febroary 2025. Mahalaza be mahakasika ny zava-misy any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, vokatry ny fahasarotana amin’ny fahazoan-drano ny fampirantiana. Arahin’ny fandefasana ilay horonantsary “Mamody, le dernier creuseur de baobaobs” izany ny sabotsy izao.
Mitohy sy misesy ny seho hataon’ny tarika Rossy any Eoropa. Tontosa ny sabotsy teo ny seho tany Stuttgart Allemagne, tafiditra anatin’ny “Rossy Europa Bapampa Tour”. Nialoha izay efa tany Grenoble, Marseille, Lyon, Toulouse. Hiverina ao Paris, ny 25 janoary izao, hanatontosa ilay seho goavana ao amin’ny Le Millénaire izy ireo.
“Therapy vibes”, seho nanomezan-danja ny rap ankehitriny izy ity. Notontosaina ny alin’ny zoma teo, tetsy amin’ny La Casa Di Luna Nanisana. Nifandimby an-tsehatra ry Ratsilahy, Don Carmelo, Smaeleann, Jaolahy Mena, sns, samy nizara ny ady rima ambony zavamaneno voarindra. Tsikaritra tamin’izany ny fifehezan-dry zalahy ireto ny sehatra, nampisy fanantenana ho an’ny hoavin’ny rap gasy.
Lico Kininike, etsy amin’ny Chez Papa Isoraka. Fotoana fanararaotra ny sabotsy 25 janoary izao, manomboka amin’ny 10 ora alina, ho an’ireo mpankafy an’i Lico. Tsy mpisehatra firy eto Antananarivo mantsy ity mpanakanto ity, noho ny fandaharam-potoany feno dia feno. Natao kosa ho an’ireo te hifanakaiky kokoa amin’ny tarika iray manontolo ny fiarahana amina toerana kelikely.

Partager sur: