Tanteraka ny fanamby. Nahita masoandro, omaly, ny « Valihan’Ikaky »-I. Boky fampianarana mitendry valiha manaraka ny fomba fampianarana zavamaneno maneran-tany. Araka ny nambaran’ny mpanoratra sy ny tomponandraikitry ny famoahana: « hahazo tombony ny Malagasy monina ivelan’i Madagasikara, satria, any no hanapariahana azy ity voalohany ». Anisan’ny antony nahatonga izany ny fisian’ny zavamaneno valiha isaky ny tokantrano malagasy any ivelany, kanefa, mijanona ho haingon-trano ihany izy ireny. Amin’ny teny malagasy ny fanazavana rehetra ao anatin’ny « Valihan’Ikaky »-I. Tsy novaina kosa ny teny na anarana na voambolana teknika ao aminy.
Nomarihin’ireto tomponandraikitra ireto fa: « fanamby efa napetraka ny hivoahan’ny Valihan’Ikaky -I, amin’ity volana janoary 2025 ity. Tanteraka izy io ! Mbola fanamby omenay ihany koa ny hivelaran’ny kanto malagasy any amin’ny sehatra maro eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ». Fantatra fa anisan’ ny mampiavaka ity boky ity ny fametrahana sy fitazonana ireo anarana na teny na voambolana hita ao amin’ny tontolon’ny valiha. Tsy nisy novaina.
Hitohy hatrany ny famoahana miandalana ny « Valihan’ Ikaky », satria, boky goavana be manana fizarana 12 izy ity. Tsy hijanona amin’ny teny malagasy fa hisy amin’ny fiteny vahiny.
HaRy Razafindrakoto