TARATRY ny KANTO

“Tohy”. Io ny anaran’ny fampirantiana ny san­ga­nasan’i Hagani Sainana, izay hotontosaina ao amin’ ny IKM Antsahavola, manomboka ny sabotsy 1 febroary. Hotontosaina amin’io fotoana io ny fanokafana, ary ny 15 febroary kosa ny fihaonana amin’ny mpanakanto, ho an’ireo liana amin’ny sanganasany.
Lany ho ben’ny Tanànan’Antsohihy i Vaney’s. Nambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, fa ity mpanakanto ity no hitantana indray ny tanànan’Antsohihy, rehefa nitarika tamin’ny taha 43%, nandritra ny fifidia­nana farany teo. Hanampy isa ireo mpanakanto nisafidy ny politika i Vaney’s, na dia nilatsaka amin’ny maha tsy miankina amin’antoko aza. Tsy mbola nambarany kosa ny mety ho fiantraikan’izay amin’ny mozika hataony.
“Recitale de piano”. Anio, manomboka amin’ ny 1 ora folakandro, no hiaka-tsehatra ao amin’ny IFM Analakely, i Anjarasoa Rabenirina sy Anthony Disaine ary i Maëva Amadison. Tanora anisan’ny manana trai­kefa matanjaka eo amin’ny fitendrena piano. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan-dry zareo amin’izany ny fitendrena ny sanganasan’i Mozart, Beethoven, sns.
Ny Cercle Germano-Malagasy etsy amin’ny tohatohabaton’Antaninarenina no handray ny “Volam-pahavaratra” na ilay antsam-paribolana, ny 25 janoary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hetsika tanterahin’ny Faribolana Sandratra, ho fanatevenana sy ho fampivelarana ny talentan’ny mpikambana sy hisian’ny fifanakalozana amin’ny hafa.

Partager sur: