Efa nisy ny fiaraha-miasa hatramin’izay, saingy nohamafisina izany. Tonga nitsidika ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, omaly, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Nanisana, ny masoivohon’i Egypta miasa eto, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Niompana tamin’ny lafiny serasera sy ny kolontsaina ny dinika teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny nivoaka tamin’izany ny fandefasana mpanao gazety hiatrika fiofanana any Egypta, ka hisy 10 ireo nosafidiana, handeha amin’ity herinandro ity. Eo amin’ny lafiny kolontsaina kosa, hisy ny fampiofanana sy fifampizarana traikefa eo amin’ ny Malagasy sy egyptianina mpanakanto. Hisy mpanakanto avy any Egypta ho avy eto, hanatontosa izay. Anisan’ny nodinihina ihany koa ny lafiny fiarovana sy fitantanana ireo harembakoka eto Madagasikara. Iaraha-mahalala fa anisan’ireo
firenena voalohany maneran-tany manana traikefa amin’ny fitantanana ny vakoka i Egypta, noho ny fananany maro amin’ izany. Hotontosaina tsy ho ela ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta.
Zo ny Aina