TARATRY ny KANTO

Tarika Arangita, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mety ho vaovaobe amin’ny maro ny anaran’ny tarika. Antony iray hampahafantaran’izy ireo ny sanganasany izany, anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Mivoy ny mozika folk, miharo nentim-paharazana ry zalahy, izay natao indrindra ho an’ireo mankafy ny mozika miaina.
Fampandrosoana ny kolontsaina haingana ny fanomezan-danja azy ireny isam-paritra, raha ny fanambarana nataon’ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny kolontsaina sy ny Fanabeaza­na na ny Unesco. Raha ny rafitra misy ankehitriny eto Madagasikara, ny any amin’ny fokontany no tokony hanome lanja sy hanao izay hampivelatra ny kanto sy ny kolontsaina ao aminy.
Hisy fampisehoana dihy, hataon’ireo mpianatra ao amin’ny Akademiam-pirenena momba ny zavakanto sy ny kolontsaina (Anac) sampana Antananarivo. Hoton­to­saina ny alahady 26 janaory izao izany, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny Havoria Anosy.
“Welcome to February”. Seho rock hatolotry ny B Live Club Ampihaviana, ho an’ireo mpankafy ao Antsirabe izy ity, ny sabotsy 1 febroary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina. Hanafana ny sehatra, mandritra izany, ireo tarika mpiangaly rock ao Antsirabe, ahitana an-dry Dimyz sy ireo hirany mivantambantana, ny tarika Rojovy izay namoaka hira vaovao maro, sns.

Partager sur: