Nanoritra ny lalany ireo zanaky ny mpanjakan’ny salegy. Niavaka indrindra amin’izy ireo i Eusébia, izay niaka-daza hatrany tato ho ato. Nisedra sehatra iraisam-pirenena maro, nizara ny “Madagascar Afro World” ity tovovavy ity, izay mbola hitohy sy hivelatra bebe kokoa amin’ity taom-pampisehoana 2025 ity. Mialoha izany, hisy ny fihaonany amin’ireo mpankafy ny mozikany, etsy amin’ny Fara West Faravohitra, ny sabotsy 1 febroary izao, manomboka amin’ny 8 ora alina.
Hiray tsikombakomba aminy, mandritra izany, ry Novo’h, mpitendry gitara, Bootax eo amin’ny gitara beso ary i Eric eo amin’ny ampongamaroanaka. Ireo rahateo ny mpitendry manaraka azy amin’ireo seho rehetra any ivelany, na amina fandraisana anjara amin’ireo karazana festivals ihany koa. Farany teo, ohatra, ny “Festival Couleurs d’Afrique”, natao tany Cotonou, Benin, izay tena nampisongadina ny mozika malagasy nentin’i Eusébia.
Zo ny Aina