TARATRY ny KANTO

Seho ara-pilazantsara eny amin’ny Trade Tower Icandry. Hotontosaina ny sabotsy 25 janoary izao izy ity, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ha­na­fana ny fotoana i Vero Ranaivoson sy i Bodokely, hotronin’ireo vahiny maro tsy ampoizina. Seho iray hane­hoana fitiavana ireo zaza kamboty, tsy misy mpiahy ary manan-kilema, izany satria natao hanampiana ny Centre Rova Agape sy ny ONG Maind de douceurs ny vola ho azo.
Raha tsy teo ny fahiny? Azo lazaina ho nan­dova zava-tsoa ny mpanakanto ankehitriny. Ohatra miharihary amin’izany ny tontolon’ny hira. Kalon’ny fahiny, kaiamba… Saika ifandrombahana ny mamerina azy ireny. Ireo mahatandrina ny fototra, vao mainka mitombo ny fitiavan’ny Malagasy azy sy ny hira haveriny. Ny manao kitoatoa, manimba zavatra maro!
Manana dingana lehibe ao amin’ny sehatra iasany ny fikambanana Manasoa. Iray amin’ireny ny fampitana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy any amin’ireo tanora liana amin’izany. Fantatra, omaly, fa hiaraka hiasa amina kaominina vitsivitsy any ambanivohitra ry zareo amin’izao fiaingana izao. Ny zavakanto sy kolontsaina any amin’ireny kaominina ireny koa no hampahafantarina.
Maro amin’ny mpanao sary hosodoko no nama­lona ny taratasy fanaovan-tsary. Nambaran-dry zareo fa: “raha nahavelombolo ny hoavin’ny hosodoko tany ambadiky ny 10 taona lasa, amin’izao, tahaka ny tsy misy manoloana ny kanto hafa izy ity”. Mbola tena mila fitaizana ny Malagasy, satria, nanjary tsy misy lanjany eo anatrehany ny hosodoko. Anisan’ny antony naha­tonga izany ny tsy fahampian’ny fampirantiana sy fampianarana momba azy ity.

Partager sur: