Miha maty hasina: Rakotry ny sandoka ny kolontsaina malagasy

Nosy anisan’ny manan-karena kolontsaina i Madagasikara. Karazany, endriny, fiatrehana sy fanatanterahana azy, sns, saika itoeran’ny fahasamihafana avokoa… Na tsy manontolo aza, misy ny mahafantatra ny momba ny kolontsaina malagasy. Ao ireo nahatahiry na nandova. Fa, tsy vitsy ireo misandoka.

Mitombo isa haingana dia haingana ireo mitonona ho mpikabary, mpanandro, mpisikidy, mpahay zavapanahy, sns, amin’izao vanim-potoana izao. Samy fahalalana sy kolontsaina hay sy niainan’ny Malagasy fahiny avokoa ireo, saingy, natao tsinontsinona tao anatin’ny taona maro. Taona 2019, saro-pehezina ny valanaretina Covid-19. Nitodika tany amin’ny raokandro ny Malagasy. Nanomboka teo, maro tamin’ny Mala­gasy no « mahay zavatra ». Nikaroka, nandalina, nitady tatsy sy taroa… Nisy ny tsy nijanona tamin’izao fa tonga mpitsabo amin’ny fomba nentin-drazana. Afaka mamaha olana maro. Mahafan­tatra zavatra miafina.
Tsy vitsy nanaraka io fahamaroan’isan’ireo mitonona ho izatsy na izaroa io ihany koa ireo nahatsiaro ho voafitaka sy diso fanantenana. Rakotra sandoka ny kolontsaina malagasy. Milaza ho mpanandro, kanefa, na ny manavaka an’«ilaifito» sy ny fahavaratra aza tsy hay. Mitonona ho mpitsabo nentim-paharazana fa tsy mahalala « tsiriry »…
Nanjary narefo ny saina sy ny vatana ary ny fanahy
Mora tamin’ireo misandoka ho mpahay sy mpahafantatra ny hoavy, mpanamboatra vintana, sns, ny manatanteraka sy manatratra ny tanjony. Tafiditra ao anatin’ny fahasahiranana ny Mala­gasy. Hany ka mitotototo etsy sy eroa. Maro ny tokantrano nampiasa zavatra sandoka. Vahaolana tsy mandeha amin’ny laoniny. Nanjary mamela tandindona ratsy amin’ny kolontsaina malagasy ilay lazaina fa « nentin-drazana ».
Niala tsikelikely tamin’ny Malagasy ny fahaiza-mandinika sy mamakafaka. Ny fahaizana miatrika olana. Nanjary mitady tany hanorenam-pangady sy fahagagana ny Malagasy sasany, satria, nampanantenain’iretsy misandoka ho mpanarim-bintana. Tonga narefo saina sy vatana ary fanahy ny Malagasy.
Sarotra ny hanarina io tranga io, raha mbola mitombo isa andro aman’alina ny misandoka ao anatin’ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Na izany aza, manan-jo ny hianatra sy hamakafaka ny tsirairay mba tsy ho latsaka ao anaty vovon’ny « sandoka ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: