La Teinturerie taona 2025: Hosokafan’ny « Hypnagogie » ny ranty

Ho fanohizana ny hetsika kolontsaina fanaon’ny La Tein­turerie Ampasanimalo. Hanokafana ny taona 2025, ho an’ny fampirantiana, hotanterahina eny an-toerana ny «Hypnago­gie», manomboka ny 30 janoary ka hatramin’ny 21 febroary izao. Ho tazana mandritra io fotoana io ny fiarahan’ny saripika sy ny dihy «danse géometrique» iarahan’ireo mpanakanto manana traikefa amin’izany, toa an-dry Elia, Xtrema, Afido & Luke.
Ny 8 bebroary, «Workshop Danse». Ny tolakandro manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 4 ora sy sasany, «Contorsion X Bonebreaking» miaraka amin’i Afido sy «Lifeteet» miaraka amin’i Xtrema. Ny alarobia 12 febroary manomboka amin’ny 2 ora ka hatramin’ny 4 ora tolakandro «Workshop Photographie» miaraka amin’i Elia. Alahady 16 febroary, amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 6 ora hariva, «Move Master Battle “Expe­rimental 1 vs 1 Open styles”». Ny 30 janoary ka hatramin’ny 21 febroary, ao anatin’ny tapa-bolana «Residence» sy fihaonana amin’ny mpitia zavakanto.
Anisan’ny manome lanja lehibe ny fikarohana ataon’ny mpanakano na ireo manan-talenta ny «La Teinturerie Association d’Artiste».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: