Fikarohana: Variana amin’ny dikan-teny

Miaina ny teny, satria, misy olona manome aina na mamelona azy. Tsy mijanona hatreo anefa fa misy amin’ireo mpikaroka no mihazakazaka any amin’ny fandikan-teny. Saika ireo voambolana na anarana no iharan’izany voalohany. Ho an’ny mpikaroka hafa, tsy maha maika ny fandikan-teny. Ny fampitiavana indray ny teny malagasy no tokony ho laharam-pahamehana raha ny fanazavan-dry zareo ireto. Nomarihin’ireto mpikaroka ireto fa vao mainka miteraka tsy fitiavana ny teny malagasy ny « fanagasiana » ny « ampoule » ho « takamoa ». Soso-kevitra nomen’izy ireo kosa ny fametrahana lalana ma­zava : « ny teny malagasy no teny hoenti-mampianatra sy mitaiza ary manabe ny taranaka malagasy ».
Marihina fa anisan’ireo teny atahorana ho sarona ao anatin’ny tenin’ny hafa ankehitriny ny teny malagasy. Manomboka misongadina io tranga io eny an-tanàn-dehibe, any amin’ny toeram-piasana samihafa…
Mila fitandremana fatratra ny fanaovana dikan-teny amin’ny anarana sy voambolana teknika. Tsy voatery hatao ihany koa anefa, satria, maro amin’ireny no efa ampiasaina eo amin’ ny sehatra iraisam-pirenena.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: