Misy ary manao ny asany ny sendikan’ny mpikarakara seho eto Madagasikara, na ny Synops. Nanamafy ny fanatsarana ny tontolon’ny asany ireo mpikambana, ho an’ity taom-pampisehoana 2025 ity.
Maka bahana avokoa ny mpikarakara hetsika. Hisokatra tsy ho ela mantsy ny taom-pampisehoana 2025. Toy ny fanao isan-taona, nanatontosa ny fivoriambe ny Syndicat des organisateurs et producteurs de spectacle (Synops), omaly, tetsy amin’ny Calabria Itaosy. Fotoana iray nijerena ny tontolon’ny asa iombonan’ireo mpikarakara hetsika sy fampisehoana izany. « Mila kalitao tsara ny tolotra ho an’ny mpanjifa, ka miezaka hatrany ny sendika mijery ny marimaritra iraisan’ny mpikambana, tsy hampilatsaka izany. Amin’ny maha sendika azy, mijery izay hiarovana ny asa mba hihatsara hatrany koa ny Synops », hoy ny nambaran’ny sekretera jeneraly, Lanto Rason.
Notsiahivin’ny mpikambana hatrany fa mpandraharaha misehatra amin’ny zavakanto, ka anisan’ny mampiodina ny toekarena ihany koa ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana. Mamelona fianakaviana maro izany seha-pihariana izany, ary azo lazaina fa mbola malalaka ny tsena, fa miankina amin’ny paikadin’ny trano mpamokatra tsirairay ny fahombiazana. Anisan’ny seha-pihariana marefo indrindra koa anefa, satria vao misy korontana kely, dia ny hetsika isan-karazany no mizaka voalohany. Manantena hatrany ny fanohanana avy amin’ny fanjakana, araka izany, ny Synops mba hampamarin-toerana ny asa. Anisan’ny hetaheta hampitaina ihany koa ny hanamaroana ny toeram-pampisehoana na anaty efitra na ankalamanjana, tsy eto Antananarivo ihany fa manerana an’i Madagasikara.
Anisan’ny tombontsoa nangatahana ka nomena ny Synops ny fahazoana mikarakara fampisehoana ao amin’ny Coliseum de Madagascar, ny alatsinain’ny Paka sy ny alatsinain’ny Pentekôty. Taorian’ny antsapaka tamin’ireo mpikambana ara-dalàna rehetra, azon’ny trano mpamokatra Maki Prod sy ny Ivenco izany.
Zo ny Aina