I Njakatiana, araka ny nitiavan’ny mpankafy hatramin’izay… Izay raha tsotsorina ny endrik’ilay fampisehoana “Tena matotra”, hataon’ity mpanakanto ity ny 16 febroary izao, etsy amin’ny Lapan’ ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina. “Nisy fanontaniana napetraka tamin’ireo mpankafy, izay hira tena handrasan’izy ireo amin’ ny fampisehoana lehibe hataon’i Njakatiana tato ho ato. Naravony izany ka hanome io fampisehoana io”, hoy ny nambaran’i Dakely, mpikarakara avy ao amin’ny Natura Production.
Tsy vitsy, fa maherin’ny 40 eo ireo hira halahatra ireo. Mazava loatra fa hira manamarika ny fiainan’ny tsirairay izay nangataka, izany hoe, mirakitra tadidy tiana hitamberina tao anatin’izay maherin’ny 30 taona nihiran’i Njakatiana izay avokoa ireo. Na izany aza, tsy mbola nanao fampisehoana roa nitovy izany i Njakatiana, indrindra ny seho goavana ao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. “Vao tonga avy any ivelany izy dia niatrika avy hatrany ny famerenana izao. Tsy maintsy hisy ny tsy ampoizina, ary na izahay mpikarakara aza tsy mahalala ny tena hiseho marina”, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
Manamarika fa mpanakanto mbola anatin’ny laza i Njakatiana, matoa misedra ity toeram-pampisehoana lehibe indrindra amin’ny anaty efitrano ity. Anatin’ny fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia ihany koa io, satria saika miresaka fitiavana ny ankamaroan’ny hiran’ity mpanakanto ity. Mahalaza maro ilay “Tena matotra”, manodidina izay lohahevitra izay sy ny endriky ny fampisehoana amin’ny ankapobeny.
Zo ny Aina