Toamasina : lehilahy valo matin’ny tsy fahampian-tsakafo sy alikaola

Mirongatra izaitsizy ny fahafatesana an-dalambe tao anatin’ny roa herinandro tao Toamasina. Namoy ny ainy noho ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fisotroana alikaola diso tafahoatra avokoa ireo olona ireo.

Tao anatin’ny tapa-bolana, izany hoe, nanomboka ny 22 desambra ha­tramin’ny 5 janoary teo, olona valo namoy ny ainy ka hita faty mitsirara an-dalambe tao Toamasina. Raim-pianakaviana iray tsy nahitana ratra saingy efa tsy nisy aina intsony tao Ambalamanasy, ny 22 desambra. Ankoatra io, lehilahy iray hafa koa hitan’ny fokonolona tavela teo amin’ny sisin-dalan’ i Tanamakoa. Mbola araka ny fanazavan’ireo mpitsabo nitsirika ny vatana mangatsiakan’ireto maty an-dalambe ireto (BMH), lazaina ho maty noho ny fisotroana diso tafahoatra ny olona iray raha toa ka tsy nahitana mangana na ratra kanefa misy fofon-toaka. Noho ny tsy fahampian’ny fi­taovana ampiasaina entina hanaovana io fitiliana io, “rehefa tsy ahitana ratra na mangana ilay olona dia efa sokajiana fa maty ho azy na “mort naturel”, hoy ireo mpi­tsabo.

Tsy ampy sakafo

Ankoatra ny fisotroana tafahoatra, ny tsy fahampian-tsakafo teo amin’ireo olona ireo koa no anisan’ny nitarika ny fahafatesany. “Efa mihamarefo ny ain’ny olombelona noho ny fihinanana sakafo tapa-tsinay sy tsy ara-pahasalamana kanefa misotro tafahoatra ka mora resin’ny fahafatesana”, araka ny fanamafisan’ny mpitsabo matetika. Araka ny antontanisa, mitana ny laharana faharoa aorian’ny fahafatesana an-drano ity fa­moizan’aina olona eny an-dalambe ity ao Toamasina.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: