Volana febroary : Hanao hetsika misesy ny Sehatra Bagasy

Raha ny vaovao azo farany. Hanatanteraka hetsika roa misesy ny Sehatra Bagasy amin’io volana febroary io.
Ny tolakandron’ny sabotsy 1 febroary, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hanatanteraka ny «Asarama­nitra bagasy» izy ireo sy izay liana amin’ny tontolon’ny ba gasy. Ny sabotsy 8 febroary, hiatrika avy hatrany ny «Totorebika sehatra malalaka» izay rehetra ho tonga eny an-toerana. Amin’ny ankapobeny, ankoatra ny fiarahana mifaly, fotoana roa hanehoana ny fifamatorana akaiky eo amin’ny mpitia ba gasy sy ho fampahafantarana ny dingana efa vita ary fanehoana ny asa mbola miandry ireto fanda­haram-potoana roa ireto. Hanehoana ihany koa ny mampiavaka sy ny hakanton’ny ba gasy. Raha ny fanda­haram-potoana manaraka aorian’ireo, ny tarika Ny Voamaintilany no hizara tsy ho ela ny traikefany.
Ra tsiahivina, ny iainan’ny Malagasy ny kolontsaina sy ny hira ba gasy no anisan’ny vina tratrarin’ny Sehatra bagasy sady antony nananganana azy rahateo. Fomba fiasa anisan’ny nahafantarana ity se­hatra ity kosa ny fifanakalozana. Manomboka mitombo isa hatrany, rahateo, ireo tanora liana amin’ny tontolon’ny ba gasy sy ireo mifoha talenta vokatry ny hetsika ataon’ny Sehatra Bagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: