“Mahiratra aho”, tontolo andro ho an’ny soratra mivoitra. Hotontosaina ny sabotsy 1 febroary izao ity hetsika ity, eny amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina. Hisy ny fandefasana horonantsary, fampirantiana ary atrikasa manodidina ny tontolon’ny soratra mivoitra, sy hanasongadinana ny maha zava-dehibe azy ho an’ireo olona manana olana amin’ny fahitana.
“Isika roa”. Hoentin’i Njara Marcel sy i Nanie an-tsehatra ity fampiaraham-peo miavaka sy vao mafana ity. Fantatra omaly, fa manome fotoana ireo mpankafy etsy amin’ny CCEsca Antanimena izy ireo ny alahady 23 febroary izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro.
Azo antoka ny hoavin’ny dihy eto Madagasikara. Efa manan-talenta na mbola mpianatra aza ireo nanao fampisehoana tetsy amin’ny CCI Ivato, ny alahady hariva teo. Samy nanezaka naneho ny talentany ireo mpianatra avy amin’ireo sampana miisa 16, an’ny SMK Obus Sxhool. Notetezin’ireo mpianatra nandritra ny seho avokoa ireo karazan-dihy ankehitriny ampianarina any an-tsekoly, miampy ireo trandraka manokana avy amin’izy ireo.
Nahazo boky miisa 260 ny Tranomboky monisipaly etsy Analakely. Avy amin’ny tetikasa Ressources éducatives ireo, izay ahitana boky fianarana, angano, bokin’ankizy kely ary boky mirakitra fikarohana manokana. Natao indrindra hanampy ireo mpianatra izay miha maro no mikaroka boky ao izany.