Nanambara ny eo anivon’ny Ceni fa eo anelanelan’ny 19 novambra sy ny 19 desambra no hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Araka ny lalàmpanorenana, iray volana mialoha ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny filohan’ny Repoblika, izay raha farafahelany ary roa volana mialoha raha farahaingany, raha tapitra amin’ny 19 janoary 2024 izay fe-potoam-piasana izay.
Nilaza ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy (MHM) fa ny sosialim-bahoaka no tokony hanaovana fikaonandoha, raha tena tia tanindrazana ny mpanao politika. Tsy tokony ho tia tena befahatany izy ireo, ka hieritreritra fitiavan-tseza na hanao adilahy politika hatrany. Ahina ny tsy hahatanteraka ny fifidianana noho ny tsy fahampian’ny tetibola. Manahy korontana koa ry zareo.
Mahatratra 9 240 ny antontan-taratasy voarain’ny Birao fandraisana fitarainana eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, Ambohitsorohitra, ny taona 2022. Betsaka amin’izany ny momba ny karaman’ny mpampianatra Fram tsy voaloa, ny vola fisotroan-dronono diso kajy, ny faktiora tsy voaloa… Tsy mpamaha olana fa mandefa ny raharaha any amin’ny departemanta voakasika ny birao.
Takin’ny Unicef ny hamerenana ny vola 3 miliara Ar mahery, famatsiam-bola nahitana fandaniana tsy nifanarahana, teo anelanelan’ny taona 2014-2019. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra ny hanaovana fanadihadiana izany. Hapetraka eo anoloan’ny andraikiny ireo tompon’antoka amin’ireo fandaniam-bola tsy mazava izany, izay midika ho fanodinkodinam-bolam-panjakana.
Tsy aleo hazava ny amin’izay rehetra izay? Amin’izay, hisy hilaminana amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Zava-tsy inona akory amin’izao, mety hampikorontana an-toerana.
R. Nd.