Fanatontosana sarimihetsika : Sarotra indrindra ny fanoratana ny tantara

Maro ireo nanonofy nanatontosa sarimihetsika. Maro ireo manan-kevitra hanaovana sarimihetsika iray. Fa mbola sarotra lavitra, tsy araka izay hiheveran’ny maro azy ny asan’ny mpanoratra ny tantara. Io ny tena fototry ny sarimihetsika. Fanomezana aina ilay tantara ny aorian’izay. Matetika tsy mipetraka araka ny tokony ho izy anefa io asan’ny mpanoratra sarimihetsika io, ka mahatonga ilay nofy tsy tontosa…
Noho ny fahatsapana izay rehetra izay no nahatonga ny fikambana Hetsika sy ny Cité des Cultures miantso ireo efa mpanoratra na manam-paniriana ny hanoratra tantara, mba handray anjara amin’ny “Script-Story”. Tsy fampiofanana momba ny fanoratana tantara sy ny fanatontosana izany fotsiny, fa sady fikaonandoha mikaton-trano, ha­moahan’ny mpandray anjara ny aingam-panahy any anatiny any, ho tonga sarimihetsika kanto sy mirafitra izany.
Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’izay liana. Hotontosaina ny 10 hatramin’ny 21 marsa kosa ny fampivondronana, eny amin’ny Cités des Cultures Antanina­renina. Tsy maintsy homena aina mba azo hotontosaina ao anatin’izay fotoana izay ny tantara avy amin’ireo mpamorona tsirairay. Hisy matihanina amin’ny sarimihetsika hanaraka akaiky izany. Mitaky fahazotoana, finiavana ary fikirizana avy amin’ny mpanoratra izay te handray anjara kosa anefa, satria vokatra tsara avy hatrany no tanjona.

Zo ny Aina

Partager sur: