Hiatrika ny famaranana ny “Prix Découverte RFI 2025” i Dina Mialinelina. Anisan’ireo mpanakanto 10 notsoingaina tamin’ireo am-polony nandefa sanganasa hifaninana izy. Mila ny fanohanan’ny mpiray tanindrazana rehetra, araka izany, i Dina Mialinelina. Afaka miditra ao amin’ny tranonkalan’ny RFI Musique izay hifidy, hatramin’ny 16 febroary. Ny 18 febroary kosa no ho fantatra izay hibata ity loka lehibe miendrika tosika ho an’ny mpanakanto ity.
Miantso ireo mpanakanto hampahafantatra ny tetikasany ny Ivontoeran’ny kolontsaina Malagasy, na ny IKM Antsahavola. Mitodika amin’ireo liana amin’ny sehatry ny hairaha ara-endrika amam-bika (mpaka sary, mpanao hosodoko, mpanao sokitra, sns), izay maniry hampiranty ireo sanganasany amin’ity taona ity izany. Malalaka ny lohahevitra izay hatolotr’ireo mpanakanto.
Omaly dia tapitra ny tapakila, hoan’ny seho hataon’i Samoëla etsy amin’ny Piment Café. Mbola rahampitso zoma ity fiarahana ity, saingy ny talata teo dia efa feno ny toerana ao amin’ity toeram-pialamboly mahazatra ny maro ity. Tsy mahagaga loatra, satria sady nifanojo amin’ ny faran’ny volana, no efa nandrasan’ny maro rahateo i Samoëla. Miandry amin’ilay seho goavana amin’ny 6 avrily indray ireo mpankafy taraiky famandrihana.
Jazz Malagasy any Paris. Haneho ny talentany mandritra ny “Jazz’n Jossigny” ireo mpanakanto malagasy, ny 8 febroary izao, any Paris. I Sity Rakoto sy ny feo mangany, hotrotroin’ireo tanora mpitendry fanta-daza, Ralah Trio, ahitana an’i Tsanta, ranto ary i Titan. Ny Zik No Limit no mikarakara izany, ho fitadiavam-bolan’ny fikambanana.