Mianatra « malagasy » mandritra ny 12 taona, kanefa, tsy mahay teny malagasy. Mianatra « malagasy », kanefa, tsy mahay manonona teny malagasy ny taranaka Malagasy. Tsy mahay manavaka ny « dr » sy ny « j ». Ny « Andriamanitra » lasa « Anjemanitra ». Ny « ianareo » nanjary « ianarrrrrreo ». Mianatra « malagasy », kanefa, manana fotom-pisainana vahiny ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora Malagasy… Tranga tsy fahita loatra eto ambany masoandro ireo.
Mila havaozina tanteraka ny vontoatin’ny taranja malagasy ianarana any an-tsekoly fa tsy mitondra soa ho an’ny Malagasy sy Madagasikara. Esorina izay tsy ilaina. Hampidirina kosa ny zava-dehibe. Iray amin’ireny ny hanairana ny sain’ny taranaka Malagasy fa Malagasy izy ary azy ny momba an’i Madagasikara manontolo.
Manana manam-pahaizana sy olon-kendry mahavita io fanavaozana lehibe io ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara. Izy ireo no tokony omena ny fahafahana hanatontosa izany… Sa, mety tsy ho vita io raha tsy atao ao anaty tetikasa vatsian’ny vahiny vola ?
HaRy Razafindrakoto