Nix Band sy Slaide: Hizara ny revy Metallica ranofotsiny

“Metallica Celebration”. Izay no anaran’ilay seho ho­tontosaina rahampitso 1 fe­broary, manomboka amin’ny
4 roa etsy amin’ny Kudeta, Carlton Anosy. Hamerina sy hizara ireo revin’ny tarika Me­tallica ranoiray ry Nix Band sy ny tarika Slaide, mandritra izany. “Tena fanomezam-boninahitra ny Metallica avy aminay mpiondana io, sady fiarahana amin’ireo mpankafy an-dry zalahy eto Madagasikara ihany koa. Samy hanana ny anjarany ny tarika roa tonta, ka efa nifandaminanay ny hira halahatra mandritra izany. Hisy ampahany iarahana ihany koa”, hoy ny nambaran’i Nix.
Ireo hiran’ny tarika Meta­llica nanomboka ny taona 1981 ka hatramin’ireo nivoaka farany ny taona 2023 no nisafidianan’ny tarika roa. Misy amin’izy ireny no tsy dia fantatra taty, izay hozarain’ny Slaid sy ry Nix Band an-tsehatra. Notaizana tao anatiny, ka efa mahafehy tsara ny fitendrena ireo hiran’ny Metallica i Man­jaka sy i Sheriff, zanak’i Nix izay mandrafitra ny Nix Band. Efa nisy santionany nasehon’izy telo mianaka nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny “Mala­gasy Rock Session” andiany faha-10, natao tany Paris farany teo.
Tarika efa ela tao anatin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ihany koa ny Slaid. Misy tazana tamina tarika hafa ireo mpikambana, izay nifameno amin’ izao fotoana. Efa manana ny mpankafy azy ry zalahy, raha ny tsapa nandritra ireo seho nandraisany anjara, to any “Bike Fest”, ohatra.
Vao mainka manamafy sady mandrisika ny Nix Band sy ny Slaid amin’ity “Metalicca Celebration” ity ny nivoahan’ ny hetsika ao anatin’ny tranon­kala ofisialin’ny tarika Meta­llica. Miaraka amin’ny fandrisihana an-dry zalahy mba hanolotra seho tsara izany, kanefa midika ihany koa fa manaraka akaiky ny tompon’ny hira.

Zo ny Aina

Partager sur: