Tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Herinandron’ny Frankofonia ». Hanatanteraka ilay fifaninanana fahaiza-mihira amin’ny fiteny frantsay « En chanson », andiany fahatelo, ny Alliance française Antananarivo, etsy Andavamamba. Hatramin’ny 7 febroary izao, ny fisoratana anarana ao amin’ny departemantan’ny kolontsaina eny an-toerana. Ny 15 febroary kosa no hanatontosana ny fihainoana ireo mpifaninana. Anisan’ny hitsarana ny tsirairay ny fananany feo kanto sy ny fahaizany mampita izany amin’ny alalan’ny hira sy ny fahaizany manonona ny teny frantsay ao anaty tononkira.
Ho an’ny mpikarakara, tanjona lehibe ny fitiliana ireo talenta miafina ananan’ny tanora sy ny lehibe mihoatra ny 16 taona. Anisan’ny fandraisana anjara sy fanampiana ho azy ireny amin’ny fanomezana sehatra lehibe ihany koa ny « En chanson ». Marihina fa maro hatrany ny mpandray anjara amin’ity fifaninanana ity, tao anatin’ireo andiany roa voalohany. Nomarihin’ny mpitsara fa mahay manonona teny frantsay tokoa ny tanora malagasy
HaRy Razafindrakoto