Fondation H any Paris : Haranty ireo saripikan’i Rijasolo

“La nuit porte lumière”. Io ny anarana sy lohahevitry ny fampirantiana saripika, homanin’i Rijasolo any amin’ny Fondation H Paris, ny 12 febroary hatramin’ny 17 marsa izao. Vokatry ny asa sary ni­fantohany nandritra ny 20 taona io, nisafidianany ireo sanganasany 80 isa haranty any. Mety hoe hitarafana ny lasa ny ranty, kanefa koa ma­nome ny fiaingana ho an’ny mpanakanto amin’ny famoronana hataony manaraka. Tao­nan’ny tetezamita mantsy ny 2024 ho an’i Rijasolo. Mila marihina amina fijery vaovao, araka izany, ny tohiny.
Fitambaran’asa, izay mampametra-panontaniana ny fandraisana ny hita ny fampirantiana homanin’ity mpaka sary ity. Izay nandalo teo amba­ny masony, nokitihin’ny fanahiny ka noraiketina ho sary dia hamoaka ilay aingampanahin’i Rijasolo, fijery natambatambatra ka nanome ny lohahevitry ny fampirantiana: “La nuit porte lumière”.
Efa nisongadina tamina fampirantiana saripika maro i Rijasolo. Efa nahazo loka maro ihany koa, toa ny “World Press Photo” tamin’ny 2022 sy ny “Prix Paritana” tamin’ny taona 2019. Tsy mpanakanto mpaka sary fotsiny, fa mpitati-baovao amin’ny alalan’ny saripika ihany koa izy. Efa noteteziny i Madagasikara, nandrafetany porofo maro ny zava-misy marina tsy hay hafenina eny rehetra eny. Ho avy any an-toerana i Rijasolo mandritra ny fanokafana ny fampirantiana ny 12 febroary, ka hitafatafa amin’ireo liana.

Zo ny Aina

Partager sur: