Mahaleo – Pumpkins… : Nodimandry i Alain Nirinasoa

Alain Mahaleo no niantsoan’ireo namany azy… Tsy mpikambana tao amin’ny tarika Mahaleo, saingy niara-nanoratra ny tantaran’ny tarika izy. Niara-niasa tamina mpanakanto maro ary fantatra teo amin’ny tontolon’ny jazz ihany koa i Alain Nirinasoa.

«Hotsaroan’ny mozika sy ny namanao mpanao mozika ianao sy ny anatra ary ny torohevitrao…», hoy i Fanja Andriamanantena, tao amin’ny kaontiny Facebook, ny sabotsy teo. Izy no nahalalan’ny maro voalohany ny fahalasanan’i Alain Nirinasoa. Niraradraraka taorian’izay ny fanomezam-boninahitra nataon’ireo mpanakanto namany, na ireo ao anatin’ny tontolon’ny jazz, na ireo efa niara-dalana tamin’i Alain Nirinasoa.
73 taona i Alain Nirinasoa, izao nodimandry izao. Tao anatin’ny mozika no nandaniany ny ankamaroan’izay… Alain Mahaleo no fiantson’ireo namany sy ireo marobe nifanerasasera taminy. Tsy anisan’izy 7 lahy mpikambana izy, saingy niara-niasa nandritra ny taona maro tamin’ny tarika Mahaleo. Mpiangaly amponga maroanaka i Alain, fa nanam-pahaizana manokana mahakasika ny fanamafisam-peo ihany koa. Nantsoin-dry Dama sy ny tariny niandraikitra ilay fanamafisampeon’ny tarika, anisan’ny natanjaka sy nalaza indrindra tamin’izany fotoana izy.
« Nanandrana sy nikaroka ireo fitaovana tany Europe i Alain Nirinasoa. Izy no nanangona sy nanambatra izany nony tonga taty Antananarivo. Manana tanjaka 6 000 Watts, izay rezatra indrindra taty Madagasikara tamin’izany fotoana », hoy ny fitantaran’i Randy Donny momba azy, anatin’ilay boky « La Saga Mahaleo ». Taona 1982 izany…
« Very namana, rahalahy anatin’ny mozika ny Fara West. Nataony tamin’ny fo ny fanampiana tamin’ny fanatsarana ny fanamafisam-peo », hoy i Eric Rakotoary. Maro­maro ireo mpanakanto milomano ao amin’ny tontolon’ny jazz no nanao ny tsiaro toa azy, satria niara-nilalao tamina tarika maro ihany koa i Alain Nirinasoa. Anisany, ohatra, ny tarika Oro. Nialoha izany anefa, anisan’ireo na­nangana ny tarika Pumpink’s niaraka tamin-dry Kelly Rajerison izy. Niara-niasa akaiky tamin-dry Désiré Razafindrazaka sy ekipan’ny « Festival Madajazzcar » nandritra ny taona maro ihany koa mantsy i Alain.

Zo ny Aina

Partager sur: