Tsy nitsanga-menatra ny ekipa malagasy. Tonga ny sabotsy teo ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondaka iraisam-pirenena makasika ny hainahandro, na ny « International Catering Cup 2025 ». Laharana fahefatra maneran-tany ny ekipa malagasy, kanefa kosa nahazo ny loka mendrika indrindra tamin’ny tsindrin-tsakafo na ny « Meilleur dessert du monde ». « Tombony ho antsika ny manana ny lavanila sy ny sokala malagasy, izay anisan’ny akora fototra nentina nifaninana tany. Nahazo tombony tamin’ny traikefa isika », hoy ny nambaran’i Chef Lalaina Ravelomanana, nitarika ny delegasiona tany ivelany. Firenena maro, fanta-daza amin’ny hainahandro no nifaninana tamin’ny ICC 2025. Efa taonjato maro no nisongadina tamin’ity sehatra ity ireo firenena hafa toy ny Italie, France, Vietnam, sns, saingy manana ny toerany ihany koa i Madagasikara. « Mbola manana fotoana isika hieritreretana raha handray anjara amin’ny andiany manaraka. Misy fifaninana iraizam-pirenena maro tokony handraisantsika anjara ihany koa », hoy ny nambaran’i Chef Lalaina. Anisan’ireny, ohatra, ny « Bocus d’Or », « Meilleur pâtisserie », sns. Nanokatra ny lalana ho an’ny mpahainahandro malagasy ny fandraisana anjara amin’itony fifaninana iraisam-pirenena itony. «Efa fanta-daza amin’ny sehatry ny hainahandro iraisam-pirenena isika », hoy ny nambaran’i Cheffe Fenosoa Rahajamalala, izay anisan’ny nanontona ny traikefany sy ny fahaizany manokana tamin’ity fifaninana ity.
Zo ny Aina